Edito

Kenda roroka


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Ny faran’ny herinandro teo no efa nandeha ny resaka amin’ny hisian’ny fanovana governemanta, saingy tsy tontosa aloha hatreto.

Te hifidy ny lohany angamba ny filoham-pirenena, kanefa matahotra ny masony, ka naleo aloha nipetraka na koa mbola mety mandinika. Izany tokoa angamba no tonga amin’ny fitenenana hoe manao zavatra tsy mora. Saingy na inona na inona aloha mety ho fialana bala, dia maro ireo efa tena mandoto sy  manaratsy endrika ny fanjakana, saingy mbola porofon’ny maha tratry ny kenda roroka an-dRajaonarimampianina daholo izany. Tsy mahita izay atao intsony fa toa miandry izay higadonany, ara-bakiteny angamba. Tsy inona io andrasana io, fa ny mety hialana eo amin’ny toerana na ny mety ho fahombiazan’ny hevi-petsy sy kajy maloto hahafahana mifikitra amin’ny toerana. Efa fanaon’ny fitondrana HVM hatramin’izay rahateo ny mandeha jonjorombona sy tsy misy sori-dalana fa dia mampanantena poakaty sy milaza ho manomana fiadanana ho an’ny vahoaka Malagasy hatrany. Dia mbola hahomby ihany ve ny hevi-petsy na koa mbola hanaiky ho dondrona ihany ny valalabemandry ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT