Edito

Kely tsy mba mamindro


  • Talata 07 Desambra 2021

Mihanjahanja tsy misy mpiahy ny vahoaka madinika ankehitriny. Ny lehibe natao handrapaka ny kely, raha tarafina amin’ny ataon’ny orinasa karana sy ny Malagasy mahitahita amin’ny madinika.

Aiza ve ka hatramin’ny raharaha voalaza fa misy didim-pitsarana manome vahana ny vahoaka izao aza, saingy misy mbola sahy manenjan-tsandry tsy hanaiky izany. Indrisy, fa hatramin’ny mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany aza ampiasain’ny karana hiaro azy amin’ny fibodoany ny tanim-bahoaka raha raisina ho, ohatra, ny toe-draharaha mombana aditany any Toamasina. Minia mikipy sy tsy te hiditra amin’ireny ny manampahefana sy ny mpitondra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana satria mety efa kopaka isasahana. Mihatra tanteraka eto ny hoe: kely tsy mba mamindro, ka natao hoforetina mandrakariva ny madinika. Sanatrian’ny vava ho tonga amin’ilay ahiahian’ilay mpandalina sy mpamakafaka politika iray hoe: ahiana ny OPK (Opération Karana) ve vao ho taitra isika mianankavy? Tsy ny fifanolanana amin’ny vahiny ihany, fa io mafana io ihany koa izao ny an’ny Fanjakana sy ny mponina ao Imeritsiatosika miantso ny mba tsy hakana ny taniny ? Asa hanao ahoana indray ny ho tohin’io? Hisy ny fihainoana sa handeha indray ny ramatahora ka holalaovina amin’ny lalàna hoe: ny tany rehetra dia zon’ny Fanjakana ny maka azy rehefa ilaina amin’ny tombotsoam-bahoaka? Ilay vahoaka anefa efa mba mitalaho fa aza kitihina ny azy? Mila ilaina fampahatsiahivana ve fa efa lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ny raharaha Soamahamanina isan’ny nidiran’ny mpanao politika mpomba ny fitondrana an-tsehatra? Sao mba hanenenana ity fanaovana kely tsy mba mamindro sy tsy firaharahiana vahoaka efa mahantra fadiranovana ity? Ny mpitondra sy ny ekipany lazaina fa nisy nikasa hamono, milaza fa lasibatra na « victime » kanefa tsy nisy basy nipoaka, tsy volon-doha iray voakitika, tsy olona iray naratra,… saingy mipoapoaka ny fitsarana sy ny fanenjehana amin’ny raharaha « Apollo 2021». Ny vahoaka madinika ery sady matin’ny hanohanana, matin’ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra azy, matin’ny tsy fandriampahalemana, matin’ny fakana ny taniny sy ny fanananany,… kanefa vitavita ho azy sy tsy mahataitra. Sao mba ho tsy ho zaka ny tsinim-bahoaka e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT