Edito

Kely tsy mba mamindro ?


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Ny fidirana an-tsehatry ny solombavambahoaka vao voafidy izao no anisan’ny raharaha mafana raha ny tontolo politika eto Madagasikara.

 

 

Nitovy ny tadin-dokanga tamin’ny fametrahana ny filohan’io andrim-panjakana io satria ny hasin’ny antenimieram-pirenena no hapetraka, araka ny fanazavana. Tsy hisy hatao zanak’ikalahafa ny distrika rehetra amin’ny fampandrosoana. Mety ho avy ny fitaovana hiasana, izay heverina fa fiara tsy mataho-dàlana, raha dinihina ny lahatenin’ny filohan’io andrim-panjakana io. Raha ny nambaran’ny fiarahamonim-pirenena iray, dia mahatratra 400 000Ar isan’andro ny tambin-karaman’ireo depiote amin’ny fivoriana tahaka izao, ary mety haharitra 12 andro io. Mazava ho azy fa misitraka tombontsoa tsy hita pesimpesenina izy ireo. Sanatriavina ny hoe: mialona satria mety samy manana ny anjarany ny olombelona tsirairay. Na izany na tsy izany aza, dia hisolovava ny vahoaka izy ireo, ka ny hirariana dia hiady ho an’ny maro tokoa, ka hanafoana ny kely tsy mba mamindro. Andeha anie mba hampitahaina kely e ! Ny mpampianatra FRAM iray, dia mety iray volana vao mahazo 200 000Ar, izany hoe tsy antsasaky ny vola raisin’ny depiote iray ao anatin’ny iray andro. Atao mahagaga ve raha mitotongana ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara ? Mampahonena satria izany no zava-misy. Misy amin’ireo mpiasa tsy raikitra amina sampandraharaham-panjakana samihafa (ECD) no efa ho 7 volana no tsy nandray karama. Olombelona ireny, saingy tratry ny tsindrihazolena. Enga anie mba ho ren’ireo depiotentsika sy ho tsapany ireny karazana mizana tsindrian’ila ireny, ka tena hiady ho an’ny maro tokoa izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT