Vita ny fianianan’ilay filoham-pirenena vaovao. Miandry izay hafitsony izany isika manomboka eto, ka raha ireo fampanantenana rehetra natao aloha no ho tanteraka, dia azo antoka tokoa fa mba hivoatra Ramalagasy,
na dia nisy tamin’ireo fampanantenana aza no toa tsy mifanaraka loatra amin’ny filan’ny ambanilanitra. Ampy izay ny resabe fa asa izany izao no andrasana satria tranompody no vitan’ny vava, hoy ny fomba fiteny. Manantena fihatsaram-piainana, fivahan’ny olana ara-tsosialiny ny vahoaka satria raha ny hita aloha izao, dia lavitra loatra ny elanelan’ny mpitondra sy ny entina raha ny fari-piainana no jerena. Ireo nifidy ilay filoha mantsy, ohatra, dia ny saran-dàlana handehanana fiara fitateram-bahoaka aza mampikolay azy, fa ny filohany koa mahavidy fiara efa ho an’arivony tapitrisa. Mbola mifono zavatra mampiahiahy sahady ny momba ny loharanon’izany, kanefa tamin’ny fotoana namoahana ilay fiara raitra, toa maneso ny vahoaka Malagasy no nanaovana kabary, fa hangarahara ny fitantanana ny firenena, ary tsy hilefitra eo anatrehan’ireo mihoa-pefy toy ny resaka fanodinkodinana volam-panjakana. Mba loharanom-bola avy aiza re no nihavian’ireny e? Moa tsy zavatra mitovitovy amin’izao ihany no nanenjehana sy nanonganana ilay filoha iray tamin’ny 2009 rehefa niakatra ny harin-karem-pirenena ka mba nividy fiaramanidina hiasana ny fanjakana? Ity kosa ao anaty fahoriana tanteraka, ary mbola eo am-panentsenana ny lavaka lalina navelan’ny krizy tamin’ny folo taona lasa aza. Dia asa lahy, fa tratry ny kely tsy mba mamindro Ramalagasy e! Ampanantenaina vary mora hoanina dia toa hilamina eo ihany angamba rehefa mba misy kely miditra any an-kibo satria jamba ny ankamaroany. Ny fisitrahana ny tena fandrosoana sy fivoarana kosa toa mbola natao ho an’ny mpitondra sy ny olom-bitsy ihany, raha dinihina amin’izao. Ny delestazy zary fanampin-tsakafo maraina atoandro hariva, ny fikarohana rano fisotro madio zary anton’asa manokana raha ny zava-nisy ny faran’ny herinandro teo,… ny faktiora mitomboka foana! Ireo mpitondra kosa toa maro no tampontampohin’ny nahazo seza, ka ny pirilimpo eraky ny tanàna no tena mampiavaka azy fa ny famahana ny olam-bahoaka sy ny vahaolana hitondra fihatsaram-piainana ho azy, mbola angatahina sy hivavahana amin’ny ao ambony mba ho tena olon-kendry sy mitana ny teny nomeny ireo mpitondra azy!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.