Edito

Kely tsy mba mamindro !


  • Zoma 24 Febroary 2017

Rehefa ny lehibe no voakitikitika dia mailaka ery ny fandraisan’andraikitra eto amintsika.

Rehefa ny vahoaka madinika kosa, dia toa mitaredretra sy tsy mba taitra ny tompon’andraikitra voakasika, mba tsy hilazana fa miraviravy tanana sy tsy manao na inona na inona. Voakitikitika ny miaramila iray noho ny tsy fanarahan-dalàna saingy tsy mahazaka izany ny iray lakazerina fa lasa manani-dapa sy manafika lapan’ny tanàna. Tena mahavita mandika lalàna amin’ny fiarovana ny namana fa toa mitaredretra amin’ny tena andraikitra. Voakitikitika ny polisy, ka tsy miandry ela fa avy hatrany dia manao izay saim-patany ho mariky ny fitiava-namana, ka na mihoa-pefy aza toa tsy olana. Voakitikitika ny mpitsara, dia ireny fa miara-mirona sy mijoro ary manameloka sy mitaky amin’ny fomba rehetra ny hamotehana izay sokajiana ho fahavalo, saingy milaza kosa fa mbola miandry ny vahaolana amin’ny fitsaram-bahoaka, ka atao mahagaga ve raha vao mainka mirongatra ity zava-doza ity ? Iharan’ny kely tsy mba mamindro ny vahoaka satria tsy misy mpiahy fa tena miahy tena ara-bakiteny, ka lasa manao izay saim-patany. Rehefa ny momba azy no voakitikitika dia tsy mba misy mijoro hiaro azy, ka izay no mahatonga azy hijoro sy lasa hanaotao foana, mandika lalàna. Tsy sanatria manome rariny ny fandikan-dalàna ataon’ny maro an’isa fa raha mbola ny kely tsy mba mamindro no manjaka eto, dia ho tanteraka ara-bakiteny ny fanjakan’i Baroa ary efa manomboka izy io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT