Fomba fiteny ny “kely sisa”, ary samy manana ny famaritany sy fandikany izany ny tsirairay avy. Manomboka mamoaka io andianteny iorenan’ny fanantenana amin’ny famahana ny krizy io ny ankamaroan’ireo mpanao politika tato ho ato izay, ary dia velom-bolo ny olon-tsotra fa mba ho hita amin’izay angamba ny marimaritra iraisana, ary hiverina amin’ny laoniny ny fiainana. Ny dikan’izany dia ho azo ny fankatoavana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hiverina ny famatsiam-bola, tsy hisondrotra intsony ary mety hihena aza ny vidin’ny PPN, handeha araka ny tokony ho izy ny asa aman-draharaha ary tena hifantoka amin’ny fanenjehana sy fikarohana ireo jiolahy amin’izay ny mpitandro ny filaminana fa tsy ho variana amin’ny fiambenana sy fitsikilovana ireo mpanohitra. Efa tsikaritra hatramin’ny nandalovany farany teto tokoa tamin’ny volana desambra fa niova ny fomba fitenin’ny Dr Simao iraky ny SADC izay nomen’ny Firenena Mikambana ny fahazoan-dalana rehetra hanelanelana amin’ny famahana ny krizy Malagasy.
Raha mbola baraingo mantsy tany amin’ny fiandohan’ny taona 2010 tany ny fahefan’i Andry Rajoelina dia tsy niady hevitra ny amin’ny mampitombina izany intsony tany amin’ny fisasahan’ny taona ny mpanelanelana, ary anisan’ny mariky ny fanamafisana ny fanekena ny maha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina ny fitsidihana nataon’ny Dr Leonardo Simao teny Ambohitsorohitra vantany vao tonga teto izy, herinandro lasa izay. Mazava ny amin’iny, fa nambaran’ity diplaomaty mozambikanina ity ihany koa fa tsy fandravana ny andrim-panjakana misy akory no atao izao fa fanatevenana ary fampirisihana ireo ankolafy tsy mbola tafiditra ao mba hanolotra olona. Raha adika tsotsotra indray izany dia manaiky ny fijoroan’ny CT sy ny CST ny SADC ary mandrisika ny Ankolafy Telo mba hiditra ao hameno sy hahatomombana ny fepetra rehetra amin’ilay hoe fiaraha-mitantana.
Tahaka izany ihany koa ny governemanta, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy dia ao amin’ny toeran’ny praiministra sisa no mety mampitarazoka ny fifanarahana eo amin’ireo ankolafy politika satria ao ny manaiky ny hitazonana an’i Camille Vital, ao kosa ny mitsipaka tanteraka izany. Miha mazava ny resaka izao fa voatazona amin’ny toerany avy ny jeneraly Dolin Rasolosoa filohan’ny CST sy Raharinaivo Andrianatoandro filohan’ny CT. Raha ny mikasika ny famotsoran-keloka indray dia tsy tokony hisy olana intsony ny fandinihana sy ny fampiharana azy ary mety ho vita amin’ny fiandohan’ny volana febroary aza izany, araka ny ritsoka re dia famotsoran-keloka faobe izy io ary mahakasika ny krizy politika rehetra nisesisesy teto, hisy ihany koa ny fepera manokana momba ireo filoha teo aloha 2 ka mety ho fanafoanana ny raharaham-pitsarana no atao amin’izany.
Efa adihevitra goavana vao tonga tamin’ireo zava-drehetra ireo ary maro ny fandeferana natao, saingy tsy maintsy misy ihany tsy mampitovy hevitra, ary eo no miditra an-tsehatra ny mpanelanelana amin’ny fandresen-dahatra ny ankolafy tsirairay avy mba hanaiky ny marimaritra iraisana sy hitsinjo ny tombontsoa iombonana sy hanaiky ireo dingana tsy maintsy hatao hametrahana ny fitoniana mialoha ny hanaovana ny fifidianana. Fehiny, mety efa kely sisa dia hivaha ny krizy ... Fa samy manana ny kely sisany ihany koa aloha io e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.