Variana amin’ny propagandy ve sa tena nisafidy ny hangina ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny governemanta ka tsy naharenesan-teny firy tamin’ny zavatra nitranga teto an-drenivohitra, efa ho roa andro izao. Singanina manokana eto Atoa isany Camille Vital, praiministra lehiben’ny governemanta, Organès Rakotomihantarizaka ministry ny filaminana anatiny ary Alain Ramaroson filoha lefitry ny CST misahana ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Raha ny tokony ho izy mantsy dia mba nanao fanambarana tsotsotra fa tsy dia hoe fanambarana miezinezina be akory izy ireo noho ireny tranga ireny. Tsy nitranga mihitsy anefa izy telo mirahalahy ireo tato anatin’ny 2 andro izao. Nisy fotoana anefa zavatra maivana lavitra noho ireny no nisy teto an-drenivohitra dia mihazakazaka mipoitra amin’ny haino aman-jery sy ny gazety izy ireo milaza ny heviny sy mampitandrina ireo ambara fa mitady hanakorontana. Araka ny fahafantarana azy, tsy misy manao propagandy izy ireo fa samy eto Antananarivo ihany, nisy fotoana fotsiny nivoaka kely ny renivohitra ka nankany amin’ny faritr’i SAVA iny ny jeneraly Camille Vital saingy tsy hoe naharitra ela be tany akory izy. T
sikaritra ihany koa fa nangina tanteraka taorian’ilay raharahana mersenera mpanongam-panjakana tafiditra teto iny ny ministra Organès R. Araka ny siosion-dresaka aza dia tena ratsy toerana izy amin’izao fotoana ao anatin’ny governemanta ary tafiditra ao anatin’ireo hisaorana raha toa ka ho avy ny fananganana governemanta vaovao atsy ho atsy. Soa ihany aloha fa nisy ny kolonely Richard Ravalomanana izay tena mazoto miasa sy mampiantso mpanao gazety tokoa fa raha tsy izany dia lasa ihany ny eritreritra hoe misy mpitondra ihany ve eto sa ahoana ? Fahanginana mety azo adika hoe fikoropahana sy fifanipazana andraikitra koa anefa no misy amin’izao fotoana satria mety samy efa mahalala ny ho fiafaran’izao hetsiky ny ankoafy 3 sy ireo vondron’ny mpanohitra ny tetezamita izao ireo manampahefana ka aleo tsy miteny toy izay miteniteny foana sy hanandra-tena ho fahavalom-bahoaka. Araka ny feo re dia efa misy mahatsapa amin’izy ireo fa miverina ny tantara izay nitranga tamin’ny faran’ny taona 2008 sy fiandohan’ny 2009 iny.
Misy kosa anefa ireo tsy mahay maka lesona tamin’ny lasa ka mandrangaranga hatrany ny fanampenam-bava ny mpanohitra sy ny fisamborana ny mpitarika azy. Etsy ankilan’izay koa moa dia mbola misy ihany ireo tsy mety tonga saina amin’ny fitsimbadihan’ny raharaha amin’izao fotoana koa mbola mampirisika ihany ny mpitondra mba handray fanapahan-kevitra hampirodana ny tetezamita. Ho tanteraka ihany ve ny amin’ny alarobia heriny ? Ho tody hatrany ve ny fitondrana FAT ? Hiteraka inona eo amin’ny tontolo politika ny fitambaran’ny ankolafy telo sy i Monja Roindefo izay mety hitranga amin’ity herinandro ity ? Ary ny tena manitikitika ny maro dia ny hoe inona no hevitry ny foloalindahy ? Hijoro ho tandroka aron’ny vozona ka hiaro ny vahoaka sy ny firenena marina ve , sa hiaro ny fitondrana tetezamita ? Azo antoka fa hafampana ny tontolo politika hatramin’ny alarobia ho avy izao ary kihon-dalana iray vaovao indray no hatrehan’ny firenena, ary kely sisa dia hipoitra ny tena marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.