Edito

Kely sisa ...


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Tsy fotoan'ny fifanazavana intsony izao fa efa fampiharana izay rehetra voasoratra ao anatin'ilay sori-dalana voasonia tamin'ny 17 septambra teo, raha ny fahitana ny zava-nitranga tato anatin'ny herinandro no jerena.

Niverina an-tanindrazana rehefa avy nipetraka 9 taona mahery tany Frantsa i Didier Ratsiraka. Nanova avy hatrany ny tontolo politika io. Telo andro taorian'izay, izany hoe omaly alahady dia tonga eto Madagasikara ihany koa i Tojo Ravalomanana sy ny fianakaviany narahan'i Guy Rivo Randrianarisoa mpitondra tenin'ny ankolafy Ravalomanana sady anisan'ireo olona voatery nanao sesitany ny tenany tatsy Afrika Atsimo. Afaka niditra an-kalalahana izy ireo, tsy nisy ny NOTAM, tsy nisy koa ny fisamborana. Dia efa mandeha sahady ny resaka fa ho avy amin'ity herinandro ity ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary handray anjara mivantana amin'ny dinika politika rehetra mety mbola hotanterahana ho famahana tanteraka ny krizy.

Tao anelanelan'izany rehetra izany dia niditra tao anatin'ny governemanta Beriziky izy 5 mianadahy avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana. Fidirana narahana fepetra maromaro tsy maintsy tanterahana anefa izy io, ka ao anatin'izany ny famelana malalaka ireo sesitany hody eto Maagasikara ao anatin'ny fotoana faran'izay haingana. Araka ny tsiliantsofina re dia nanome herinandro ny FAT mba hanatanteraka izany ny ankolafy Ravalomanana. Raha tsy izay dia hiaraka hametra-pialana daholo ireo minisitra. Raha misy izany ny sakantsakana amin'ny fiverenan'i Dada tonga dia hiala tsy ho minisitra intsony ireo olon'ny ankolafy Ravalomanana. Ela ny ela, hoy ny mpitolona iray eny amin'ny Magro fa izao vao tena manangasanga ny fahatanterahan'ny fitakiana satria tsy maintsy ho avy eto, tsy ho ela intsony i Dada, kely sisa dia tafita ny tolona. Mikorapaka ireo mpomba an-dRajoelina ary efa nasehony teny Ivato izany omaly.

Misimisy ihany koa ny tsy mahita tory amin'ny alina satria ho avy ilay natahorana hatramin'izay ary raha tonga eto izy dia tena hanao politika fa tsy hipetra-potsiny na hiandry omby any Imerinkasinina tsy akory. Miha hita soritra mazava ihany koa ankehitriny ny paikady nampiasain'ny ankolafy mpanohitra izay somary nihomehezan'ny ankolafy Rajoelina ihany teo aloha teo, saingy hita sy tsapa amin'izao tranga rehetra izao fa nody ventiny ny rano nantsakaina ary mbola henjana ny traikefa politikan'ireo filoha teo aloha. Voaporofo amin'izao koa fa tsy mahavita azy ireo mpanao politika manohana an'i Andry Rajoelina satria sady tsy vitan'izy ireo ny namaha ny fahasahiranan'ny vahoaka isan'andro, no tsy hain'izy ireo ny nanohitra ny tolon'ny Ankolafy 3, ary farany dia tsy vitan'izy ireo ny nandresy lahatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hiaraka hiasa amin'ny FAT ka hanohana ara-bola azy. Tsy mahavita azy irery no dikan'izany, ka izay no maha mety sy mampitombina ilay fiaraha-mitantana. Asa raha mba hanetry tena amin'izay Atoa Andry Rajoelina na mbola hikaroka hevitra hafa ihany hampisongadinana ny tenany sy hanome lamosina ny maro.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT