Edito

Karatra mena


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Mampatsiahy ny zava-nitranga tamin’ireo vanim-potoana nanombohana sy nisian’ny krizy nifandimby teto amin’ny firenena ny zava-nisy teto an-drenivohitra tato anatin’ny roa andro izao.

Ilaharana ny solika eny amin’ireo toby fivarotan-tsolika, ary maro ireo toby mikatona tsotra izao, fa milaza fa tsy manana solika, hono, na efa kely sisa ny tahiry ka aleo mitsitsy aloha. Tsy nampilamina velively ny fifandrombahan’ny olona manana fiara hilahatra ny fanambaran’ny minisitry ny solika sy ny harena ankibon’ny tany, ary raha ny fahitana azy  omaly dia mbola hitohy amin’ity anio ity io filaharana solika io. Mbola hitohy ihany koa ny havitsian’ny taxibe miasa sy ny fandehanana an-tongotra ho an’ireo tsy maintsy miasa sy mianatra satria miverina eny antenantenan-dalana ny ankamaroan’ny taxibe, ary mody aloha satria tsy te ho tratry ny fitohanana lavareny amin’ny hariva. Ara-dalàna tsara aza moa ny famatsiana solika dia efa manao ny ataony ny fiara fitateram-bahoaka, fa vao mainka fa misy izao olana izao !

Ahiana ihany koa, araka ny resaka mandeha, ny fiakaran’ny PPN satria maro ieo mpamongady no milaza fa mitombo ny masonkarenan’izy ireo koa noho izany dia mety hisy ny fanitsiana ny vidin’entana. Mahatsapa ny rehetra ankehitriny fa tena hanaratsy endrika ny FAT izao zava-mitranga izao, satria sady tsy mahavita mamaha ny olana ara-politika i Andry Rajoelina sy ny tariny no tsy mahita izay hanalefahana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Sady noana ny olona ankehitriny no reraky ny dia an-tongotra, ka tsy tokony hahagaga raha manakiana ny fitondrana tetezamita, izay manana ny fahefana aloha hatramin’izao ary tsy hizara izany mihitsy amin’ireo mpifanandrina aminy, raha ny fanambaran’ny filohan’ny FAT farany teo no zohiana. Ho an’ireo maharaka tsara ny raharaha politika dia mahita fa ho ratsiratsy ihany ny mety ho tohin’ny tantara ho an’izao fitondrana tetezamita izao raha tsy ahitam-bahaolana amin’ity herinandro ity ny momba io solika io. Tsy manao fanambarana ny minisitra dia milamina ny raharaha fa miandry zavatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ny olona.

Efa leon’ny fampanantenana izy reo, tahaka ny vary mora, menaka mora, trano mora, kanefa toa vao mainka mihalafo ny vidin’entana. Ny mampanahy ny maro ihany koa dia ny hoe sao dia mbola tohin’ilay fifanolanana teo amin’ireo kaompania efatra lehibe mpanafatra sy mivarotra solika eto amintsika sy ny fitondrana tetezamita izao mitranga izao. Nanenjana mantsy ary namoaka didy mametra ny vidin-tsolika ny FAT dia nanaiky sy nandefitra aloha ireo kaompania lehibe ireo. Nampiakatra ny raharaha teny amin’ny filankevi-panjakana indray ry zareo saingy tsy nahazo rariny. Mandeha ny feo akehitriny fa efa mieritreritra indray ny hampiakatra ny vidin’ny solika izy ireo. Tena sarotra ny toe-draharaha ary azo antoka fa maro amin’ireo manampahefana no tsy mahita tory firy amin’ny alina. Karazana fitsapana farany ho an’ny FAT izao mitranga izao, koa raha tsy mahatafavoaka baolina amin’izao izy ireo dia mety hahazo karatra mena amin’izay ka hivoaka ny kianja !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT