Edito

Karakarain’ny hafa


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Hifarana ihany ity ny volana novambra fa dia mbola baraingo hatrany ny famahana ny krizy.

 Nanepoka ilay tatitry ny iraka manokana notarihan’i Leonardo Simao sy ireo miaramilan’ny SADC. Nangina ihany koa i Joaquim Chissano rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha. Ny masoivoho Frantsay anefa mialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, herinandro lasa izay dia nanitrikitrika fa tokony hanao fanambarana faran’izay haingana ny SADC. Re koa avy eo fa hoe hihaona any Paris ny filoha Tanzanianina, izay mitarika ny SADC sy ny filoha Frantsay, ka horesahana any, hono, ny momba an’i Madagasikara. Atoa Marc Ravalomanana amin’io mbola any Afrika Atsimo mikaroka ny fomba rehetra hahafahany miverina an-tanindrazana. Eto an-toerana kosa dia manomboka maimbo amin’ny resaka vono moka tany atsimo, nohamafisin’ny Amnesty International. Ratsy endrika tanteraka ireo komando na efa nanao ny “Opération Tandroka», noho ny resabe etsy sy eroa momba ny famonoan’olona tsy amin’antony sy ny fandoroana tanàna.

Maro no mitaky ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena, amin’ity raharaha ity. Nisy omaly ny fihaonan’ny praiminisitra tamin’ireo masoivohom-pirenena vahiny maro, hanaovana io fanadihadiana lalina io hahafahana mamantatra ny tena marina. Tahaka ny tsy mampiraika an’i Andry Rajoelina anefa izany rehetra izany fa dia ny mitokana zava-bita sy manao propagandy mialoha ny fotoana no tena mahadodona azy, koa hisesisesy ny fitokanana sy ny fitetezam-paritra amin’io volana desambra io. Miara-mitontona ao daholo ny fahavitan’ny kianja, hopitaly, sy ny trano mora ary ny fahatongavan’ny vary mora. Ho avy indray mantsy ny fety dia efa manomana revy manara-penitra ho an’ny vahoaka ilay fitondrana dia milanonana, ka tafiditra tsara mihitsy ao anatin’izany ny fitokanana ny kianja filanonana etsy Antsonjombe.

Ny olona moa mora manadino sy mora fitahana izay ihany, koa dia samy tsy hisy hametra-panontanina ny amin’ny tohin’ny fampiharana ny tondrozotra, na ny hivoahana amin’ny krizy intsony, fa samy variana mikarakara ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona aloha. Vao mainka moa nahakivy ny olona sy nampihena ny fahazotoany hanaraka politika ny tsy fifanajana nasehon’ireo mpikambana CST teny Anosikely ny alatsinainy teo, nandritra ny fihaonana tamin’ny governemanta. Loholona noheverina mba ho olon-kendry, kinanjo be vava tahaka ny mpiady an-tsena ireto izy. Ka rehefa tsy mahay mifanaraka ny samy Malagasy dia miditra an-tsehatra ny avy any ivelany, ka tsy maintsy mba mitady ny tombontsoany koa, fa tsy hoe handamina antsika noho ny fitiavany antsika fotsiny. Rehefa tsy karakarainao io dia karakarain’ny hafa e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT