Kapoaka mangidy !

Mbola izao zavatra iainantsika ankehitriny izao ve no antsoina hoe :


  • Alarobia 20 Martsa 2024

fitantanana mahomby sy firenena mandroso ?

Mizotra makany amin’ny Madagasikara tsy maintsy mandroso tokoa ve isika ankehitriny sa miha milentika anaty kizo noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ? Tsy finiavana hanakivy ny vahoaka na fitia te hitanisa ireo zavatra miiba sy tsy fanjariam-pitantanana, fa ny zava-misy amin’izao aloha dia tena famiravirana firenena, fanambaniana vahoaka, fanaovana takalon’aina an’i Madagasikara ka izay maha diavolana ny sain’ny olom-bitsy no arahina. Amin’ny fomba ahoana moa no hiheverana sy inoana fa tena hahavita hitantana araka ny tokony ho izy sy hampandroso firenena izao fitondrana izao kanefa ny zavatra tokony handeha ho azy aza mivadika krizy sosialy sy toekerana ? Ny fakon’Antananarivo izay tokony handeha ho azy aza dia lasa mivadika velirano sy tetikasan’ny filoham-pirenena ny fanalana azy noho ny fitiavana sy finiavana hampalaza olon-tokana. Io ihany koa fa miitatra ny olana manodidina ny solika satria manenjana ireo mpitatitra. Ny orinasa sy mpandraharaha maro manana vola amin’ny Fanjakana tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana miantso vonjy, ary betsaka no lasa potika fihariana, banky ropitra, bokan-trosa,… ary misy mamoy ny ainy mihitsy aza. Ny vahoaka amin’ny ankampobeny valaky ny fahantrana, trotraky ny adim-piainana, vizaky ny fitadiavana izay hohanina anio tadiavina rahampitso. Moa ve mba maharototra ny Fanjakana ireny ? Ny mahadodona dia ny haka sy handrombaka fahefana amin’ny fifidianana manaraka. Tsy te hahalala izay tena fahantram-bahoaka fa mandeha amin’ny politikan’ny vonjy tavan’andro hatrany. Efa manangasanga any indray ny kitolotolotra rehefa nangingina, efa manomboka mihatrana ny jiron’akoho rehefa mitombo ny tsy fahefezana ny delestazy izay miha mahery vaika manerana ny Nosy. Izao zava-mitranga sy fahoriana ampiainina ny vahoaka izao ve dia mbola hitombona ny hoe : hifidy ny kandidan’ny volombosary ny vahoaka maro an’isa amin’ny fifidianana depiote amin’izao efa fampitondrana kapoaka mangidy ny Malagasy izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT