Kamboty ny Malagasy !

Tsy finiavana hiresaka ireo zava-dratsy na koa fambolena


  • Alakamisy 06 Martsa 2025

toe-tsaina miiba ho an’ny olom-pirenena raha miresaka sy miteny ary manatsikafona ireo

tsy fanjariana mitranga eto amin’ny Firenena, fa tena tsy takona hafenina sy maso miara-mahita hoe : marary i Madagasikara, marary ny Malagasy, mandohalika ny fiarahamonina,… Tsy arakaraka ny fampiderana hery sy fahefana, fandrahonana, vava tsy ampy,… ataon’ny mpitondra ny ezaka sy asa vita hamahana ny olam-bahoaka, ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa, fa tahaka ny kamboty tsy misy mpiahy ny Malagasy. Ny lazaina fa Raiamandreny mpiahy azy toa zary lasa lany andro amin’ny kisehoseho ivelany, lany andro manao vava tsy ambina sy mihantsy ady, tsy mahita izay tena fahoriam-bahoaka fa sasatry manamarin-tena manoloana ny tsy fahombiazany. Ny mpitondra sasany moa sahy manao teny miendrika fanesoana na fanompana ankolaka ny vahoaka aza amin’ny filazana fa tsy mahantra ny Malagasy, mandry fahalemana i Madagasikara,… Mampitsangam-bola anefa ny zava-mitranga etsy sy eroa satria raha tsy voaviravira sy vonoin’ny jiolahy mitam-basy ny vahoaka, dia viravirain’ny jiolahim-boto politika amin’ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly, famoretana, vidim-piainana,… Kamboty tsy misy mpiahy ny Malagasy amin’ny ankampobeny, fa zary samy manao izay hihinanany, samy miaro ny rambony tsy ho tapaka,… Tsy natao hampitolefika fa fotoana tokony hampifoha sy hanetsika ny hambo-po ho an’ny ho avy ny lalan-tsarotra tahaka izao ho an’ny olom-pirenena !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT