Edito

Kajy manakorontana


  • Alakamisy 10 Desambra 2015

Mety havesatra ihany ny fetin’ny faran’ny taona amin’ity 2015 ity satria sady mafy ny fiainana, tsy azo idirana ny vidin’entana rehetra eny an-tsena.Ankilan’izay dia mafana ary mety hangotraka mihitsy atsy ho atsy ny tontolo politika.

 


Olana fototra raha ny fahitana azy maimaika avy ety ivelany dia ny fomba hanatanterahana ilay fifidianana loholona, izay toa efa vita kajy mialoha mba hampandresena ny HVM sy hifehezana ireo ben’ny tanàna mafy loha na sahy mijoro amin’ny heviny.Manomboka mitombo isa ireo mpanao politika manakiana mafy ny CENI sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ity fifidianana loholona amin’ny 29 desambra ity.Mety efa vita kajy mialoha koa anefa io daty io satria efa variana amin’ny fety ny olona amin’izany ka tsy hiraika firy amin’ny resaka politika dia hiady irery eo ireo mpanao politika, tahaka ny mahazo ireo mitaky ny famerenana ny iles éparses fa tsy dia misy mpanaraka firy.Eto Madagasikara moa na misy zavatra nifanekena izao aza dia ivadihana tampoka fotsiny avy eo ka tsy hay intsony izay hiafarany.Ny mpitondra rahaeo moa tsy manana paikady mazava fa toa mitantana an-jambany ny tany sy ny fanjakana koa dia izao mipoitra tsikelikely etsy sy eroa izao ny savorovoro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT