Edito

Kajy mamono vahoaka hatrany


  • Talata 14 Jona 2022

Atao ahoana moa fa dia izay izany no mba politika hain’ny mpanao politika eto amin’ity firenena ity! Izay ihany koa no mba hain’ireo mpitondra nifandimby. Kajikajy politika!

 Firy taona izay no efa nahenoana izany voambolana izany? Isaky ny ankatoky ny fifidianana izany dia toy izao foana ny zava-misy. Fifanenjehana teo amin’ny filoham-pirenena mamarana asa, Didier Ratsiraka, sy ny kandida hifaninana aminy ny taona 2001. Toy izany koa no nolazain’ny kandida ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry TGV, fa nihatra teo anelanelan’ny taona 2006-2007. Nosakanan’I Dada na fitondram-panjakana, hono, tamin’izany ny tanora mba te hitondra fiovana, hoy ny famakafakana iray tao amin’ny haino aman-jerin’ilay kandida tamin’izany. Nipoaka anefa avy eo ny taona 2009. Navelan’I Dada nanongana azy ilay nilaza azy ho zanaka. Niharihary ara-bakiteny teo amin’ny raharaham-pirenena, araka izany, tamin’ireny fotoana ireny ny hoe zanaka tokoa no mahafoy ray aman-dreny saingy andeha angamba atao hoe vazivazy zary… teny. 13 taona katroka izao no nisian’ny fifanandrinana Ravalo-Rajoelina. 13 taona nilentehan’ny firenena tanaty fahantrana lalina. Tsy mijanona hatreo moa izay resaka fifanenjehana izay fa na tao anaty fitondrana tetezamita na fitondrana Rajaonarimampianina na anatin’izao fitondrana Rajoelina izao indray dia io mbola lamaody io ny fifanaovana gafigafy sy fifamoahana dosie satria akaiky ny taona 2023. Ny sasany kapaina amin’ny fandraharahana ataony. Ny sasany sakanana aminy fitetezam-paritra ataony. Ny sasany izao vao tratry ny fanenjehana ara-pitsarana amina andraikitra niandraiketana tamin’ny 3 taona lasa. Fa maninona anefa no tsy tamin’izany no nisy ilay fanenjehana? Mandram-pahoviana izany isika vao afaka amin’ity fanaovana kajikajy politika tsy hitondra fampandrosoana mihitsy fa dia fahan\tram-bahoaka lalandava ity. Kajy mamono vahoaka hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT