Edito

Kajy mamono vahoaka


  • Talata 13 Martsa 2018

Lalina dia lalina ary tena mahafanina ny politika mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa namaritra ny siantifika tamin’ny fotoanandrony fa tafiditra ao anatin’ny tontolo tsy takatra eritreretina na “superstructure” miaraka amin’ny fivavahana izany politika izany.

 Taratra io, indrindra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Toy ny hampisambadidahana ny vaovao aely amin’ny vahoaka ka tsy fantatra intsony izay tena marina sy ny lalao maloto fonosin’ny fihetsika sy fanambarana politika ataon’ny mpitondra. Minisitra iray mihitsy izao no nisongadina tato ho ato fa toy ny minia miteniteny foana mandrakariva isaky ny mipoitra amin’ny haino aman-jery. Teo ihany ny hoe tonga dia milaza tsy an-kiera any an-tanin’olona ny “tsiambaratelom-pirenena” fa tonga eto an-tanindrazana koa dia mbola tsy laizina ihany ny totohondry vava. Lazaina fa tokony hanaja ny fiandrianam-pirenentsika ny olona ary tsy hitsabaka ny raharaham-pirenena eto. Toy ny milaza izany hoe azo baikona ny fitondrana ankehitriny kanefa naninona ary no avy hatrany dia novohana ireo vavahadin’ny orinasa AAA taorian’ny fanambaran’ny amerikanina ? Raha tsy noho ny henamaso tamin’ireo vahiny dia tsy noraharahiana mihitsy ireo fianakaviana Malagasy an’arivony velomin’ity orinasa ity fa dia naleo nifikitra tamin’ny kajy maloto mikapa ranjo kandida atahorana sy mamono vahoaka ihany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT