Edito

Kajy ho an’iza ?


  • Talata 12 Jolay 2022

Manomboka eto izany dia fanontaniana goavana apetraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro ny hoe kajy ho an’iza ity hataon’izy ireo ity?

Kajy ho azy ireo samirery ve na koa hoe kajy ho an’ny tombontsoany manokana toy ny hoe fiverenana eo amin’ny fitondrana amin’ny taona 2023 sa mba tena ho hita miharihary sy azo tsapain-tanana amin’ilay mampidiridiry ny voamason’izao tontolo izao mihitsy fa kajy ho an’ny vahoaka malagasy na kajy ho an’ny tombotsoam-bahoaka sy ny firenena? Mety hilaza ny fitondrana mijoro fa azo tsapain-tanana ny vatsy tsinjo, tosika fameno, trano mora, kianja manara-penitra sy ny rehetra vita tato anatin’ny 3 taona hatreto saingy mba efa nametraka fanontaniana ve ny fitondram-panjakana hoe hatraiza no fetran’izany rehetra izany eo amin’ny fitsinjovana ny atao hoe “aim-bahoaka” mihitsy? Firifiry marina moa izay fampitahana natao izay? Raha hiteny izany hatrany nanomboka omaly koa aza angamba ny olompirenena dia ny valin-tenin’ny fitondrana mijoro sy ireo mpiaradia aminy dia hoe na ny fitondrana teo aloha sy ny teo alohan’ny tohananay koa aza mba nampitaha an’ity sy ity na iry sy iry! Dia ho toy izany foana ve izany no iainana eto hatramin’izay hoe niverenan’ny fahaleovantena izay ka sanatria ho mandrakizay ? Firifiry moa ireo sehatra milaza fa tsy tafavoakan’ny fitondrana ankehitriny hatreto ny baolina na koa hoe ny firenena ? Dia tsy misy valiteny azo omena ankoatry ny hoe “ny any amin’ny firenen-kafa aza…” foana ve hatramin’izao fotoana maha isan’ny firenena mahantra indrindra antsika manerantany izao. Sao mba tsy ny lalan-kivoahana tokoa no tsy misy fa ny finiavana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT