Mibaribary izao fa tena manana olana amin’ny resaka fitantanana ny mpitondra eto amintsika ary tonga amin’ilay oha-pitenenana hoe : « varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso ».
Nasesika fotsiny ary dia nolaniana ilay fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2015. Tsy dia mahagaga moa iny satria ny vola aza efa lany ny ankamaroany. Izao indray dia tadiavina atao bontolo ny fandaniana ilay tetibola 2016 satria misy ny efa manao kajy fa hoe hahazo an’ilay 518 tapitrisa euros avy any amin’ny vondrona eoropeanina koa dia efa metimety indray ny kajy. Dia lasa adihevitra be koa ny fomba fandatsaham-bato amin’ny fifidianana loholona. Resaka politika izany rehetra izany fa tsy misy mba mijery ireo malagasy efa tena kere any Atsimo. Ahoana ny momba ireo fianakaviana mety ho traboina indray noho ny fiakaran’ny rano atsy ho atsy ? Mbola mampihoron-koditra ny asan-jiolahy. Efa lasa mpaka an-keriny sy mangata-bola ho takalon’aina koa izao ny dahalo fa tsy nionona tamin’ny halatra omby intsony. Ny fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro efa tsy resahana intsony. Moa ve mba mahalala sy mahita izany ady sarotra atrehan’ny vahoaka izany ny mpitondra sa dia tena tsy mivaky loha mihitsy fa efa mikajy ny amin’ny 2018 indray ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.