Edito

Kajikajy sahady


  • Alatsinainy 05 Janoary 2015

Vita hatreo ny fialan-tsasatra. Hiverina amin’ny asa aman-draharaha sahina andavan’andro indray ny olom-pirenena rehetra, hiverina an-tsekoly tsikelikely ny mpianatra manomboka androany

. Ho lavalava ny volana janoary. Mazamazana ny kajikajy ho an’ny isan-tokantrano indrindra amin’ny fitantanana ny vola satria mbola ho ela vao ho tonga ny faha-18 sy faha-20 fandraisan’ny mpiasam-panjakana karama sy ny faha-31 janoary ho an’ny mpiasa tsy miankina. Mafimafy ho an’ny mpiasa tena sy ny mpivarotra ihany koa ny volana janoary satria dia an-tanan-dany izao ny mpanjifa. Lany nanaovana fety tamin’ny faran’ny taona sy nitsenana ny taona vaovao ny vola. Natokana ho sakafo sy sarandalana sisa. Mivavaka mafy mba ho salama ny ankohonana. Io anefa fa mirongatra indray ny pesta any Amparafaravola any, miakatra ny rano amin’ny faritra iva amin’ny faritra maro vokatry ny ora-mijojo taorian’ny taom-baovao. Efa misy sahady aza ireo traboina. Manomboka manahirana koa izao ny mitady saribao eto an-drenivohitra. Mikajikajy ny hampakatra ny vidiny na ny mpamongady na ny mpaninjara fa hoe : sarotra ny lalana nakana ny saribao. Totoafo sahady koa etsy ankilan’izay ny fivorian’ireo mpanao politika isan-tokony avy. Mandeha ny feo fa hisy fanovana governemanta ka raikitra ny kajikajy fa mba samy te hanana toerana ao, tsy hisy ho tavela.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT