Edito

Kabary an-tendromolotra fotsiny!


  • Talata 27 Jona 2023

Ny fampandrosoana ny firenena dia ilaina atao anatin’ny firaisankiana, firaisan-tsaina sy firaisam-po, ary tsy hanaiky

isika no hozorazaraina koa sahy ve isika hiaro ny tanindrazana ao anatin’ny hambopom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana?”, hoy ny Filoha ankehitriny omaly tamin’ny tafika nandritra ny fanokafana ny matso lehibe tetsy Mahamasina omaly. Noresahina ny resaka fitandroana ny fiandrianam-pirenena, firaisan-pirenena,… saingy izy no toa adihevitra voalohany vao miresaka an’izany. Sanatria toa mitady ho lasa fombafomba sy teny an-tendromolotra, fa ny fomba fitantanana sy fitondran-tena ara-politikan’ny mpitantana dia famadihan-tanindrazana amin’ny endriny ankolaka na mivantana? Ny sary misy ankehitriny dia toa lavitry ny fitiavan-tanindrazana izany ny ankamaroan’ny mpanao politika, fa zary lasa kabary politika sy fahazarana fotsiny ny hoe: noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Raha olona tia tanindrazana izany tsy hanao fitaovana ny fahantrana sy fahasahiranan’ny Malagasy ka hihevitra fa na inona na inona tsy fahombiazam-pitantanana dia sarona izany rehefa mizara hanimasaka sy fanomezana kely tsy mahavita taona rehefa propagandy. Raha tena tia tanindrazana izany, dia tena mahay mijery ny mahasoa ny vahoaka ka hijery sy hamantatra ny tena laharam-pahamehana ho azy, fa tsy handraviravy azy fahafinaretan’ny maso sy haingo ambony tsikoko lava izao. Raha tena tia tanindrazana mahay mijery azy amin’ny fihariany sy ny fivelomany, fa tsy lany andro mametraka tandindona fa nandalo teo amin’ny fitondrana mba hoenti-mandoka tena rehefa akaiky fifidianana fa nanao an’izao sy izao. Ekena fa misy ilàna azy ary zava-dehibe ny fananganana fotodrafitrasa etsy sy eroa, fa mila mifanindran-dàlana amin’ireny ny olombelona eo amin’ilay toerana sy firenena hasiana an’izany. Ny zavatra miseho eto mantsy, any amin’ny zavatra tsy tena misy tombotsoan’ny besinimaro fa haitraitran’ny manan-katao no hanontonana vola tsy toko tsy forohana fa ny fiharian’ny Malagasy sady mitsipozipozy tsy misy mpijery no mbola tandindonin-doza amin’ny tsy fandriampahalemana, raha ho an’ny tantsaha manokana. Ny asa fihariana an-tànan-dehibe moa mitsipozipozy amin’ny olana ara-angovo, maro no tsy amin’ny sehatra ara-dalàna,… Nitondra inona izao ny kianja nandaniana vola tsy toko tsy forohana? Hitondra inona ny teleferika tsy zakan’ny fari-piainan’ny Malagasy?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT