Edito

Ka inona ary ny vahaolana e ?


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Vao alatsinainy ny andro dia efa mafampana ny toe-draharaham-pirenena. Mitohy ireo fitokonana isan-tsokajiny amin’ity anio ity, ny an’ny mpiasan’ny tahirimbolam-panjakana, ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana izay hanao service minimum kosa anefa. Hiditra an-tsehatra voalohany anio koa ka hanao fitokonana faoben’ny « inspecteurs du travail »

 

 manerana ny nosy, tsy mbola milamina ihany koa ny fitakian’ny mpiasan’ny fananan-tany etsy Anosy. Mbola mety hihetsika ihany koa ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite. Ary raha ny re momba ny fanehoan-kevitr’ireto mitokona ireto dia tsy ho anio na rahampitso mihitsy no hivaha ny olana satria somary goavana ihany ny fitakiana. Mipoitra ilay izy satria raha nisy ireo karazana fitakiana sy fitokonana nandritra ny fitondrana tetezamita, dia mazava ny valin-tenin’ny mpitondra fa fampandehanan-draharaha no ataon’ny tetezamita fa rehefa misy fitondrana tena izy aorian’ny fifidianana eto vao afaka mangataka izany ianareo. Dia io fa nipoitra tokoa ireo fitakiana…tsy mbola misy anefa ny vahaolana azo tsapain-tanana izao dia izao avy amin’ny fitondram-panjakana, ary hita fa misy ihany ny fomba fifampiresahana tsy dia mety loatra eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany, hany ka lasa miha sarotra isan’andro ny toe-draharaha. Ny hoe misy ambadika politika na tsia dia efa fomba mahazatra eto io, fa na misy io na tsy misy dia anjaran’ny fitondram-panjakana no mahita ny paikady hamahana ny olana fa tsy mialokaloka ao ambadik’ilay hoe fitakiana politika io. Vahaolana no ilaina fa tsy resabe !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT