Edito

Jery atrika !


  • Alarobia 07 Aprily 2010


Nifamoivoy toa tsy mahatombintsiraka ny miaramila gasy. Raha niafinafina izany teo aloha dia hita miharihary izany tato ho ato. Sesilany ny fivoriana ataon’ireo manamboninahitra isan-tokony avy omaly. Toa miandry izay higadonany izany ny manamboninahitra lefitra, hita ho tsindrian-daona be ihany, miandry ny jery atrika, handraisana ny baiko miaramila sy ny toromarika. Nisy fivoriana tao amin’ny Toby Ratsimandrava omaly. Tsy nisy nipika ny dinika. Nisy fivoriana koa teny Ampahibe teny. Mbola omaly ihany io. Fivoriana fanao isaky ny fiandohan’ny volana iarahan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy no teny, raha ny fanazavana ofisialy re. Re koa anefa etsy an-danin’izany rehetra izany fa misy fivoriana kasaina hatao eny amin’ny Centre de conférence international Ivato, mety ho amin’ity anio ity. Etsy an-kilany anefa dia mandeha ny feo fa misy manamboninahitra manangona fitaovam-piadiana any an-tranony any, tsy mba iray fa maromaro ary mahery vaika. Fa inona avokoa no anton’izany rehetra izany ? Antony politika, dia aiza ireo teny nilokalokana fa tsy hozarazaran’ny politika, tsy hifandrafy ny samy miaramila fa iray tsy mivaky natao teny amin’ny Centre de conférence international Ivato nandritra ireny “Assises militaires” tamin’ny taon-dasa ireny, tsy miherina akory ny taona. Fa maninona no misy manamboninahitra mamoaka antsokosoko ny fitaovam-piadian’ny tafika, sa te hiaro tena ka ny azy no tonga aloha ? Aiza ny fanaraha-maso, sa efa tsy voafehy intsony izy ity ? Mbola ao ve ilay jery atrika ifampifehezana sy anaovana teny midina ? Manalasala ihany izy ity !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT