Nahoraka an-gazety tany Frantsa tany omaly fa maniry hanana fiaramanidina raitra toy ny “Air Force One” fampiasan’ny filoham-pirenena amerikanina ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy. Airbus A 330-200 mitentim-bidy any amin’ny 176 tapitrisa euros no hovidiana, ary hasiam-panamboarana mba hamaly ny filan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny dia izay ataony sy hanatanterahany ny asa iantsorahany. Koa hesorina avokoa ireo seza miisa 324 ao anatiny, ka tsy hisy afa-tsy 60 sisa miampy efitra lehibe iray natao hivoriana. Ankoatra izay dia hanana efitra fatoriana sy efitra fidiovana azy manokana ny filoha ao anatin’io fiaramanidina io rehefa avy asiam-panamboarana. Eo amin’ny lafiny teknôlôjia indray dia hisy fax, telefaonina ho azo hampiasana ordinatera ao anatiny, ary tsy vitan’izay fa afaka mampiasa Internet ny mpandeha ao anatin’io Airbus A 330-200 namboarina manokana ho fitaovam-piasan’ny filoham-pirenena frantsay io, araka ny fanirian’i Nicolas Sarkozy na dia misidina any amin’ny iray alina metatra any ambony tsy taka-maso any aza.
Miteraka resabe ihany izy ity any Frantsa any teo anoloan’ny fanapahan-kevitr’i Sarkozy nanafoana ny hanim-pitoloha fanao rehefa 14 jolay saingy mahatsapa izy izany fa ilaina ny manana fitaovana raitra sy arifomba hamitana asa malaky dia raikitra io. Izany ny an’ny olona. Fa efa nialoha lalana azy ny filoha Marc Ravalomanana raha nanapa-kevitra ny fanjakana, rehefa niverina avy any Indonezia, fa hiala amin’ny «Force One», izay nomena ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ka nosoloina ny «Force One II» izay fiaramanidina raitra tokoa manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia voalaza etsy aloha. Natao izany mba hahafahana mahazo vokatra haingana sy mahomby kokoa ao anatin’ny fotoana fohy. Fahotana mahafaty mitarika fanonganam-panjakana no nandraisan-dry Andry Rajoelina an’izany. Nirodana ny fanjakana, itangoronan’ny vovoka ao Ivato fotsiny ilay voromby, naleo lo toy izay ho an-kavana. Jereo izany ny an’ny olona !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.