Edito

Jereo ny an’ny olona !


  • Zoma 04 Jona 2010


Nametra-pialana tampoka ny filoha alemaina Horst Köhler. Izay no fanapahan-keviny raha tafaverina an-tanindrazany taorian’ny fitsidihana nataony tany Afghanistan izy ka nihaonany tamin’ireo miaramila alemaina mandray anjara amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fampandrian-tany any an-toerana. Nandritra ny fivahinianany tany Afghanistan no nilazan’i Horst Köhler ny mahazava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny tafika alemaina any an-toerana, ahafahana misoroka ny asa fampihorohoroana izay mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fifanakalozana ara-barotra amin’iny faritra iny, ka hiantraika amin’ny vola miditra sy ny asa any Alemaina. Nandratra ny fon’ny mpandraharaha alemaina sy ny ankamaroan’ny vahoaka any an-toerana io teniny io. Tsy niandry ela, ary tsy nampoizin’ny maro fa dia nametra-pialana avy hatrany i Horst Köhler ny faran’ny herinandro teo raha niteraka tsy fifankahazoan-kevitra na nanohina ny maro ny teny nataony, araka ny filazany. Efa filohan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena i Horst Köhler ary efa teto Madagasikara ny taona 2006.

Tany Japana indray dia nametra-pialana ny alarobia teo ihany koa ny praminisitra japoney Yukio Hatoyama, roa andro monja taorian’ny nisintahan’ny mpikambana avy amin’ny antoko mpiara-dia aminy teo anivon’ny governemanta, taorian’ny fivadibadihan-keviny mikasika ny toby miaramila amerikanina ao Okinawa. Teo am-piandohana, sivy volana lasa izay dia nampanantena i Yukio Hatoyama fa hakatony io toby miaramila io. Niova indray anefa ny heviny sivy volana taty aoriana, izay nitarika ny savoritaka teo anivon’ny antoko demokraty misy azy. Dia izy nametra-pialana izao. Ary eto Madagasikara, na mivadibadi-dela, na miovaova hevitra, na nitsipaka sy tsy nanaja ny sonia nifamatorana izao aza, fanapahan-kevitra nampitondra faisana ny firenena sy ny Malagasy iray manontolo, dia mbola mifikitra amin’ny seza ny mpitondra. Vokatr’izay dia izao dia notapahan’ny Vondrona Eoropeanina izao indray koa ny tohana ara-bola sy ny FED andiany faha-10 sy izay mety ho fanampiana ankoatra ny mahakasika ny maha olona. Nefa jereo ny an’ny olona ! Raha vao misy tsy mety ka tandindomin-doza ny firenena, ny firaisankinam-pirenena dia miala avy hatrany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT