Teknisianina, lehiben’ny Boriborim-paritra ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra (chef CIRDR) ao amin’ny Distrikan’Antsirabe Faharoa, Faritra Vakinankaratra no vahinin’ny Tia Tanindrazana anio, nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’io Distrika io ary mitondra ny fanevan’ny MFM amin’ny movansy Ravalomanana.
Tia Tanindrazana (TT) : Teny tsy afaka am-bavanao matetika, isaky ny manentana amin’ireny lanonam-panjakana sy atrikasa maro natao teto anivon’ny faritra Vakinankaratra ireny ny hoe : «Ny teny mampientana fa ny atao mahasarika». Inona no tianao hambara amin’ izany ?
Jacob Andrianiaina (J.A) : Nandritry ny 30 taona nifaneraserana tamin’ny tantsaha, saika tamin’ireo faritra manerana ny lafivalon’ny Nosy no nanefy ny tena hanana traikefa, tsy ho voasandan’ny vola aman-karena, ka nandraisana lesona fa tsy ny fahaiza-mandaha-teny mampientanentana fotsiny, na ny fanehoana fihetseham-po ka mety hampitsetra na hampifaly, no mampandroso fa ny fandraisanao anjara mavitrika sy mampihatra tsy ampihambahambana no haharesy lahatra ny olona ka hanarahany dia anao.
TT : Nilaza ianao teo fa 30 taona no nifaneraseranao tamin’ny tantsaha. Inona no nanosika anao hirotsaka hofidina ho solombavambahoaka ?
JA : Hatry ny fony kely ka teo amin’ny fahatanorana dia nisy fikambanana nitaiza sy nitaizana tena, ary mandrak’ankehitriny aza dia mbola manana andraikitra ao amin’io fikambanana io ,dia nanao velirano fa hanompo an’Andriamanitra sy hiasa ho an’ny tanindrazana. Mifampitohy amin’izany velirano natao izany no nanekena ny andraikitra natolotry ny Antoko ho kandidà. Andraikitra mifampitohy amin’izay rehetra efa nosahanina izany, na dia amin’ny sehetra hafa kokoa amin’izay fanao tao amin’izany fikambanana izany aza, kanefa koa dia mifampitohy tanteraka amin’ny andraikitra nosahanina teo amin’ny sehatry ny asa natao nandritra izay 30 taona izany.
Ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra no asa nosahanina ka heverina fa tena akaiky mahita ny ativilany ny tena. Mahalala tsara ny hetaheta sy faniriana ary ny vetsovetsom-piainan’ny tantsaha Malagasy, indrindra fa ny eto Antsirabe II izay toerana nosahanina ampolony taona maro.
Nanefy ny saina amam-panahy ny fiharaha-miaina sy nitakosina tamin’ny tantsaha, nahalalana ny hetahetany sy ny faniriany ary izay mba vetsovetso-piainan’izy ireo. Maro tamin’izy ireo ihany koa no nanosika hiditra ao anatin’izao fifaninanana masina izao koa dia niroso ampitokiana ny tenako sy ireo namako efa-dahy ho tohanan’ny MFM eto amin’Antsirabe II.
Na teo aza izany rehetra izany dia tsoriko ihany koa fa ny fanohanan’ny ankohonako sy ny fanotronan’izy ireo ahy amin’izany fanapahan-kevitra izany dia anisan’ny nanome tanteraka ny risika hiditra ao amin’izany fifaninanana izany.
TT : Amin’ireo kandidà 29 mirotsaka ato amin’ny fari-pifidianana Antsirabe II, inona no heverinao sy ianareo MFM fa mampiavaka anareo amin’izay heverinareo fa tetika entina hampandroso ny tontolo ambanivohitra ?
JA: Ny voalohan’ny amin’izany dia ny traikefa anananay MFM ny raharaha politika sy ny fahalalanay manokana ny tontolo ambanivohitra. 40 taona nandinihana sy nikatrohana ny amin’izay tokony hampandrosoana an’i Madagasikara ny MFM.
Manaraka izany dia olona mahalala tsara ny tontolo amabanivohitr’Antsirabe II izahay dimy mirahalahy naroson’ ny MFM ireo. Trandraka an-tany mena ireo ka tena efa naka ny volon-tany tanteraka. Mpikirakira fampandrosoana ny telo aminay. Izaho injeniera momba ny fambolena sy fiompiana. Ny faharoa dia mpampianatra eny amabanivohitra nandritra ny vanimpotoana rehetra niasany. Ny roa aminay mpahay momba ny fiompiana omby vavy be ronono sy ny famokarana ovy. Ny iray dia mpikirakira famokarana mikasika ny fambolena sy fiompiana eny ambanivohitra, ary miaina sy mivelona tenteraka amin’izany.
Tsy atoro izany fa tena mahalala sy miaina tanteraka ny atao hoe tontolo tantsaha indrindra fa mikasika an’Antsirabe II izahay ireo. Olona tsy mikabary fotsiny ireo fa tena mpikatroka.
Azo fehezina amin’ireto hevitra ireto ny tetika : Fanohizana sy fanatsarana ary fanamorana ny famatsiam-bola hoenti-mamahana ny famokarana eo anivon’ny tantsaha madinika. Fanapariahana masomboly voafantina sy biby haingam-pitombo eny ambanivohitra ary fanamoràna ny fandraisan’ny tantsaha izany. Fampironana ny famokarana hitodika bebe kokoa ho amin’ny tsena anatiny, indrindra fa ny tsena ivelany. Atao araka izany ny fametrahana lamina mba ho afa-mifaninana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra Malagasy. Fanavaozana na fanoloana araka izay tratra sy haingana indrindra ny masombolim-boankazo izay efa lazoan’ny aretina eto amin’ny distrikan’Antsirabe II. Fametrahana lamina fampiofanana mikasika ny fanodinana vokatra ho an’ny tantsaha madinika, ary izany dia arafitra araka ny vokatra misy eo an-toerana. Fampandraisana andraikitra ny sarambaben’ny olona rehetra eo amin’ny Kaominina, mba hifandray sy hifampitohy ny ezaka f ampandrosoana ka samy hahazo tombony avokoa ny olona rehetra. Fametrahana lamina mba hipoiran’ny fandraharahana madinika hiroborobo eny ambanivohitra. Apetraka, araka izany, ny lamina mba hahamora ny fampitaovana herinaratra. Fiaraha-misahana amin’ny mponina ny amin’ny fanapariahana araka izay tratra ary amin’ny fotoana fohy ny rano fisotro madio isaky ny Fokontany eny ambanivohitra sy ny fitantanana izany mba haharitra. Fanomezan-danja sy famerenana fitokisana, araka izay haingana, indrindra ny toeram-pitsaboana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampitaovana olona sy fanafody. Ireo no heverina tsy maintsy entin’ny Depoite MFM eny amin’ny Antenimiera ka hatolony lasa volavolan-dalàna ho lasa vola mba hampandrosoana ny eny ambanivohitra.
TT : Ahoana no fomba heverinao hahatanteraka izany ?
JA : Araka ny efa voalazako teo dia tsy maintsy haroso hodinihina eo anivon’ny Antenimiera ireo havadika ho lalàna ary ametrahana mari-bola mba ahafahana mamadika izany ho fandrosoana. Mazava ho azy fa dia izany rehetra izany dia mila tontolo milamina mandry fahalemana. Ka mba hampisy izany dia zavatra tsy maintsy atao voalohany amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny samy Malagasy ka itadiavana vahaolana tsy hiverimberenan’ny krizy matetika ka hamapandroso hangana. Fandaminana ny fitandroana ny filaminanana araka izany dia anisan’ny vaindohan-draharaha tsy maintsy hosahanina hialana amin’ny fositra maro misy hatramin’izao mandrava firenena. Fandaminana na fiaraha-midinika mikasika ny fizankan-tany izay olana goavana eto amin’ny firenena.
TT : Eto am-pamaranana ary inona no hafatra tianao hapetraka ho an’ny mpamaky.
AJ : Efa ampy izay dimy taona nampidirana antsika tao anatin’ny lavaka mangitsokitsoka izay, ka nampitontongana ny firenena izay sady nandroban’ireo tsy matahotody ny harem-pirenena izay toy ny tantely afa-drakotra no nhapotika tanteraka ny fiarahamonina ka tsy nampisy fifampitokisana intsony eo amin’ny mpiara-belona sy ny mpifanolo-bodirindrina.
Misikina ary koa raiso an-tanana ny hoavinao. Ireo no toky hifamatoranao amin’ny MFM eto amin’Antsirabe II. Efao ny adidy manandrify anao mba tsy hahavery ny zo aman-kasina anananao. Koa tsarovy fa ny “teny mampientana fa ny atao mahasarika”. Tsy mba nivarotra saka be loha taminao ny MFM ary tsy hanao izany aminao mihitsy na oviana na oviana. Ireo voalaza ireo ny velirano ataon’ny MFM aminao. Ary tsarovy fa tsy mba mivadi-belirano ny MFM satria izay no fanaony satria izany no anaty rany. Misaotra anao hanefa ny adidy masina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.