Edito

Izy roa tonta


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Mbola miandry ny daty hihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ny rehetra amin’izao fotoana.

 Raha nampiady hevitra be, teo aloha kely teo ity fihaonana ity, dia efa tena resy lahatra amin’ny fanatanterahana azy ny maro amin’izao fotoana. Ireo no fototry ny fifandirana ka nahatonga ny krizy politika. Zovy moa no tsy mahalala fa samy manana ny mpanohana azy avy any ivelany, na ingahy Ravalomanana na ingahy Rajoelina. Sarotra ny mino fa hoe taitaitra teo fotsiny i Andry Rajoelina ka nijoro handrodana an-dRavalomanana. Misy antony ny zava-drehetra ary amin’ny politika dia tsy misy kisendrasendra izany fa drafitra maty paika no ampiharina. Nanana telo taona i Andry Rajoelina sy ny ekipany ary izay manohana azy, any ivelany mba hampisehoana tamin’ny Malagasy fa mahavita azy marina izy ireo. Tsy nisy zava-banona anefa fa dia nikorontana ambony ambany ny firenena.

Mazava koa ny resaka izao fa tsy tena voarodana hatramin’ny farany ny filoha teo aloha ary matanjaka sady manana ny mpanohana azy, na eto an-toerana na any ivelany. Nihenjan-droa ny tady hatramin’izay ka hatramin’izao, ka izay no tsy maintsy ilana ilay fihaonana eo amin’ny mpifanandrina fototra, nahatonga ny krizy. Ankoatra izay dia maro no mihevitra fa misy ifandraisany amin’ny olana ara-politika ireo grevy sy fitakiana etsy sy eroa, koa raha mba miray feo mandamina izany rehetra izany Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, dia hilamina haingana ireny savorovoro isan-karazany ireny. Fironana roa, azo atao hoe goavana eto Madagasikara ny TGV sy ny TIM ary samy mahatarika olona maro, ka tsy maintsy mifandamina aloha ireo vao azo eritreretina ny hisian’ny fitoniana politika eto. Ho henjana anefa ny adihevitra sy fifandresen-dahatra amin’io diniky ny roa tonta ireo, ary manana anjara toerana goavana amin’ny fifampiresahana ny fifandeferana sy ny tena fijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tsy maintsy misy ny mpanatsatso sy mpanisy sira, fa ny tena tompon’andraikitra kosa, dia mahafantatra tsara ny tokony sy ny tsy maintsy hataony. Hoy ny fitenenana hoe : horakoraka ny an’ny sahona, fa ny tsiboboka no tompon’ny rano ! 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT