Tsy tokony hisy intsony ny adihevitra momba ny fandinihana izay voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana fa efa mazava tsara ny fanambaran’ny SADC tamin’ny alalan’Atoa Marius Fransman, minisitra lefitra Afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa.
Mila fahamatorana ny fanatanterahana ny andininy rehetra ary izay nekena sy nosoniavina dia tanterahana. Nila fotoana misimisy ihany ny fanazavana ny amin’ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, saingy tsy misy intsony ny azo ovaina, fa rehefa milaza ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana hoe : «tsy maintsy mamela ireo Malagasy mialokaloka any ivelany noho ny antony ara-politika mba hiverina eto Madagasikara ny FAT, ary tsy maintsy mandray fepetra hiarovana azy ireo sy tsy mandray fepetra ara-pitsarana mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mandray anjara an-kalalahana ao anatin’ny tetezamita iaraha-mitantana» dia izay no izy.
Izay voasoratra dia voasoratra ! Io andininy faha-20 momba ny filoha teo aloha io no nampikatso ny dinika rehetra hatramin’izay satria tsy nety nilefitra mihitsy ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, izay mpitondra fanjakana moa ny ankamaroany. Navoaka daholo izao karazana teny rehetra izao nanaratsiana sy nanasoketana an’Atoa Ravalomanana. Anisan’izany ny hoe mpamono olona, mpangalatra, lehiben’ny mpampihorohoro. Nihodina teny ny andro sy ny volana, saingy tsy nety tafavoaka ny ala ny FAT, noho io fiziriziriany hanilika an’Atoa Ravalomanana io. Ankehitriny, miha lefy ny herin’ny FAT noho ny zavatra maro samihafa nitranga, hany ka tsy afaka ny manindry bokotra intsony izy ireo. Mailaka ery ny mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny FAT, volana vitsivisy lasa izay, taorian’ny dinika tany Pretoria nilaza fa fahefan’ny fitondrana tetezamita, hono, ny manaiky na mandà ny fiverenan’Atoa Ravalomanana eto.
Narangaranga avy eo ny resaka NOTAM sy didy fampisamborana ary ilay nofinofy hisambo-belona ity filoha teo aloha ity atsy Afrika Atsimo. Nivadika ny rasa tato aoriana ary tsy misy izany hoe afaka manaiky na mandà izany ny FAT, fa tsy maintsy manatanteraka izay voasoratra, izany hoe tsy maintsy mamela ireo sesitany politika hiverina eto Madagasikara, anisan’izany i Marc Ravalomanana. Misavorovoro ny ao an-dapa ao noho io andininy faha-20 io, satria mety hiova mihitsy ny tantara raha tafiditra eto iray iraikalahy naongana tamin’ny 2009, ary maro amin’ireo milaza azy fa manampahefana amin’izao fotoana no matahotra satria fantany tsara ny hevitry ny vahoaka. Tsy mahagaga, araka izany, raha toa ka miseho tsimoramora ny fivakisana eo amin’ireo vondrona politika manohana an’i Andry Rajoelina, ity farany moa dia tsy re feo firy ary efa ho roa herinandro izao tsy nanatanteraka ilay zoma fanampiana hizarana fanampiana amin’ireo sahirana. Ny tsiliantsofina re farany aza dia milaza fa mety hitodi-doha any Frantsa indray ny filohan’ny FAT amin’ny faran’ny volana, noho ny antony ara-pianakaviana, hono. Maro anefa no mahatakatra fa hitady fanampiana sy fanohanana amin’ny mpitondra Frantsay matoa tonga any Paris Atoa Andry Rajoelina. Efa tena halohalika tsinona ny ranom-bary, ary efa migodogodona ao am-bavahadin’ny lapa ilay naongana tsy ela akory izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.