Ny alarobia 13 oktobra teo no natao ny famaranana ny lisi-pifidianana. Haverina eny anivon’ny Fokontany indray io manomboka eto hanaovana fanamarinana. Dia maro no gaga sy zendana ary velom-panontaniana hoe : lisi-pifidianana ahoana ? Taty aminay aza na indray maraina tsy nisy fanisana natao, raha tsy hoe niniana nodinganina. Mazava eto ny resaka : izay voasoratra dia voasoratra. Ny fitondrana ankehitriny, izay misisika mafy hanao fifidianana ka ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana no hisantarany izany, dia efa nametraka tanjona mazava. Mandresy amin’ny salanisa 85% ny ENY amin’ny 17 novambra araka ny nambaran’i Pierre Tsiranana azy tao Ampefiloha ny alakamisy 07 oktobra 2010. Fombafomba fotsiny izany sisa no hatao amin’io andro io, fa ny vokatra dia efa fantatra. Ny dingana hatao manaraka dia ny hahazoana taha ambony amin’ny fandrasaina anjaran’ny mpifidy. Mampanahy be ihany ny mpitondra FAT anefa ny fisehon-javatra ankehitriny. Tsy rototra ny olona na dia efa roa herinandro aza izay no nanombohan’ny fampielezan-kevitra. Ny mpanohana ny ENY hita ho malaina, tsy mahavoa-drindrina mihitsy aza raha ny ao Antsirabe ao. Any amin’ny toerana maro manerana ny Nosy aza moa dia tsy ahitana taratra izany fifidianana izany akory.
Mila manenjika tahan’ny mpifidy avoavo anefa raha te haneho fa ankatoavin’ny vahoaka ny fifidianana ary demokratika ny vokatra mivoaka eo. Ny zava-misy izany izao dia manery ny mpiasam-panjakana ireo Lehiben’ny Faritra hanao izay hampandaniana ny ENY ary hitaona ny olona hifidy. Nitranga izany tao Mahajanga, nanerena ireo sefo fokontany hametaka afisy ENY 5 isan’olona raha te hahazo tambikarama. Fa ny tena mahomby dia ny kajikajy ao amin’ny lisi-pifidianana. Atao vitsy araka izay tratra ny voasoratra anarana. Dia holazaina fa nesorina avokoa ireo “mpifidy matotoa” nataon’ny teo aloha tao anaty lisi-pidianana. Ireo azo antoka fa hifidy ny ENY ary ho avy handatsa-bato no tokony hisoratra ao, dia azo antoka fa hiakatra ho azy ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny mpifidy. Ity tranga ity no mety hiseho amin’ity indray mitoraka ity. Ho zava-doza anefa raha izay no miseho. Tsy dia misy ady hevitra manodidina io lisi-pidianana io ihany koa moa, zaran’ny mpitondra aza, fa variana any amin’ny ady seza ny mpanao politika tokony hidinika sy hanara-maso izany sa hionona amin’ny hoe izay voasoratra dia voasoratra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.