Edito

Izay voa manodidina


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Asa tokoa na izany no atao hoe fanovana fa dia manomboka mahazatra ny mpanara-baovao eto amintsika indray tato ho ato ny mahita sy mandre, olona manana toerana ambony amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana mifanakiana.

 Ao ny samy minisitra, eo koa ny tale jeneraly isan-tsokajiny ary ny mpiasa ambony sy teknisianina hafa. Toy ny tsy misy intsony ny firaisan-tsaina eo amin’ny samy mpitondra fanjakana fa dia mifampiandry kendry tohina izany ny rehetra. Dia sanatria ve izay ilay voka-dratsin’ny fiaraha-mitantana efa nahian’ny sasany hatrany amin’ny nanombohan’i Maputo ? Ny tena nalaza farany teo izao dia ny fifanitsahana andraikitra teo amin’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy ny minisitry ny atitany, dia nipoitra koa ny olana teo amin’ny banky foibe koa dia nomontsamontsanin’ny minisitry ny vola sy ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana mihitsy ingahy governora sy ireo mpiasa mitokona. Izao dia milaza ihany koa ny tatitra nataon’ny tahirim-bolam-panjakana fa tsy arakaraka ny volabe lany hanakaramana ireo mpiasa amin’ny masoivohontsika any ivelany ny asa vitan’izy ireo ary toa hoe misy mihitsy no mangoron-karena fotsiny.

Efa manomboka mirehitra ihany koa ny afo eo amin’ny minisitry ny varotra sy ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo. Tena tsara mihitsy ny fisian’ny mangarahara, saingy tsy fanao kosa angamba ny hoe mpitondra fanjakana mifanebaka sy mifanakiana isan’andro anatina vanim-potoana tetezamita mbola mamparefo ny tontolo politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Na dia misy aza ny tsy fitovian’ny fomba fijery sy fahasamihafan’ny foto-kevitra ara-politika eo amin’ireo samy tomponandraiki-panjakana ambony dia tokony hahay hifehy tena sy hampandefitra ny hambom-pony ihany izy ireo, ary handamina am-pitoniana sy amin’ny fomba mihaja, ny olana misy, fa tsy voatery hifanebaka sy hifanala baraka amin’ny haino aman-jery sy ny gazety. Tokony ho tonga saina izy ireo fa misy ny tsiambaratelo amin’izany fitantanan-draharaham-panjakana izany, ary maro be ny zavatra tena saro-pady ary tsy tokony hampahafantarina ny besinimaro, na ambara amin’ny fotoana mahamety azy. Maro koa no mahita amin’izao zava-mitranga izao fa tena miha mahazo vahana mihitsy izao ny fanilihana andraikitra ao ambonimbony ao, satria maro be ny zavatra tsy ara-dalàna, koa dia izay tratra farany eo no mizaka. Izay voa manodidina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT