Edito

Izay voa manodidina


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010


Tena mivoaka sempotra, velona ihany fa mitsipozipozy. Izay no azo anambarana ny fahasalaman’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana izao. Tonga mihitsy amin’ilay fitenenana hoe izay rehetra atao tsy misy mety. Maro ihany izay fampanantenana natao teto izay tao anatin’ny roa taona saingy, tsy misy ny tena fiantraikany any amin’ny ain’ny vahoaka, toa fisehosehoana no betsaka fa tsy hita akory izay tena marina, hoy ireo be vazivazy. Ary rehefa dinihana io teny io dia mitombina tokoa satria mahita hambara sy hiarovan-tena foana izao fitondrana izao manoloana ny tsy fahafehezany ny asa sy tsy fahafahany mandamina ny krizy samirery. Tsy maintsy mahita olon-kafa hamatrarana ny riaka foana izy ireo, ka izay voa, dia manodidina ! Efa datim-pifidianana karazany telo izao no navoaka. Teo aloha ilay hoe vita ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny faran’ny taona 2009 ary manana filoha vaovao ny Malagasy mialoha ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena. Resabe fotsiny iny.

Nambara indray avy eo fa tanterahana ny 20 aogositra ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Niaraha-nahita fa resabe fotsiny koa iny. Izao indray dia milokaloka i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy fa raiketina amin’ny 17 novambra 2010 ny fitsapan-kevi-bahoaka. Milaza miara-mahita anefa izao isika mianakavy fa ho sarotra ny raharaha. Tsy sanatria maniry ratsy ho an’ny firenena fa tena be loatra ny tsy fahatomombanana, na eo amin’ny fanomanana ny fifidianana izany, na teo amin’ny famolavolana ilay lalàmpanorenana. Efa mipoitra isan’andro amin’izao ireo olona, vondron’olona ary fikambanana mangataka tsotra izao ny hampihemorana io fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra io satria azo antoka fa hiteraka savorovoro mety hiafara amin’ny olana ara-tsosialy sarotra fehezina ilay izy.

Eny fa na dia ireo noeritreretina fa manohana an’i Andry Rajoelina sy ny tetezamitany aza dia miverin-dalana indray amin’izao fotoana noho ny fahatsapana fa mitady hivarina any an-kady ny firenena raha tohizina ny lalana. Na dia fantatra tsara aza ny fizirizirian’i Andry Rajoelina dia tsy vitsy ny mbola manantena fa hiova amin’ny heviny izy, ary hanaiky ny hifampidinika amin’ireo filohan’ny Ankolafy hafa. Tsy misy tsy vitan’ny resaka, ka asakasak’izay tsy marisika amin’izany. Raha mahara-baovao tsara ireo eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana dia mahafantatra fa niverina indray ny gidragidra any Guinée Konakry, eo am-piandrasana ny fanatanterahana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, satria mampiahiahy ny ankolafy sasany ny CENI izay mikarakara ny fifidianana. Ny mpitandro ny filaminana moa tsy nisalasala fa nitifitra avy hatrany ireo olona nidina an-dalambe naneho ny ahiahiny sy ny fitakiany. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hitranga eto ihany koa izany. Ka moa ve tsy resy lahatra ihany ny FAT fa tsy mety ny ataony ? Sa atao ihany aloha ny atao dia izay voa manodidina !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT