Malaza indray ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, taorian’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakan’ny SADC tany Maputo.
Tsy misy afa tsy io indray aloha ny resaka etsy sy eroa amin’izao fotoana. Efa haingana be ny fiparitahan’ny vaovao, ka ny zoma alina lasa teo ihany dia efa nisy ampaham-baovao niparitaka tamin’ny tranokala fa ho avy ity filoha teo aloha ity. Tsy misy resaka kosa hoe vao tonga eny Ivato izy dia hosamborina ka hogadraina. Tsy maintsy hisy kosa anefa ny fanadihadiana manokana hataon’ny SADC sy ny tompon’andraikitry ny filaminana eto Madagasikara mba hisorohana ny mety savorovoro hitranga. Velom-bolo ny mpitolona eny amin’ny Magro fa hoe : «izay vao tena izy, fa ho avy amin’izay i Dada».
Ny ankolafy Rajoelina anefa dia mazava be fa tsy manaiky an’izany. Manahy sahady ny maro fa mety hisy indray ny dosiem-pitsarana hivoaka na sinema fikomiana anaty lakazerina indray na hisy sarintsarina fanonganam-panjakana, entina hilazana fa hoe tsy milamina ny tany eto ka noho izany tsy mbola mety aloha ny hiverenan-dRavalomanana eto. Mahafantatra tsara i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa tsy maintsy hanova zavatra maro amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ny fahatongavan’ny filoha teo aloha eto an-toerana. Ny fitondrana tetezamita rahateo, nanomboka efa tena ratsy endrika teo imason’ny olona, tato anatin’ny herintaona izay. Azo ambara fa nihen-danja ihany koa ny fitiavan’ny olona ny filohan’ny tetezamita, izay mampiseho tsy fahamatorana amin’ny zavatra ataony. Na ahoana na ahoana ambara dia vao mainka nanome lanja an’i Marc Ravalomanana koa ny fanenjehana sesehena natao taminy sy ny fianakaviana ary ny orinasa naoriny. Nisy ny fotoana efa nieritreritra ny hanilika tsimoramora ity filoha teo aloha ity ny vondron’ny mpanelanelana, saingy mety hita sy tsapan’izy ireo ihany angamba fa mbola matanjaka ara-politika eto Madagasikara izany Marc Ravalomanana izany. Ary na any ivelany aza dia mbola manana ny maha izy azy, izy
. Dia izay izany vao hihatra ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, efa ho herintaona taorian’ny nanasoniavana azy. Io resaka fodian’ny filoha teo aloha io mihitsy no hita fa nampikatso ny dinika rehetra hatramin’izay. Io ihany koa ny anton’ny nivezivezena tany ivelany nandaniana vola sy fotoana nivoriana. Azo notanterahana tsara teto Madagasikara anefa ireny fihaonana ireny, raha teto ingahy Ravalomanana. Efa ela namakafakana sy nandinihana ny SADC, ary matoa nandray iny fanapahan-kevitra iny ny fivoriana tany Maputo, dia izay izany no izy. Hafa anefa ny fanambarana ary mbola resaka hafa ny fanatanterahana azy. Samy miandry ny hitranga anio sy rahampitso ny rehetra. Ho avy marina ve Ravalomanana ? Rahoviana izy no ho avy ? Hisy fitsenana makotrokotroka ve sa atao mangingina ? Hanao ahoana ihany koa ny ho fihetsik’ireo ao amin’ny foloalindahy mpomba an’i Andry Rajoelina ? Dia ho hita eo ny ho fidonany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.