Edito

Izay vao nisy tonony !


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Izay indray izany vao mba nahenoana tononkira vaovao ny tontolo politika eto Madagasikara raha fiverimberenan-javatra efa hila hankaleo na nankaleo ny sofin’ny valalabemandry mihitsy aza no saika re lalandava ny taona 2016 no nankaty raha nanomboka nipoipoitra daholo ireo karazam-bovonana sy antoko izay nijoro ho nanohitra ny zava-misy sy ny fitondrana.

 

 Marina fa samy nilaza ho resy lahatra ny amin’ny maha tsy azo hihodivirana ny famerenana ny fahefana amin’ny eny ifotony avokoa izay rehetra nitabataba hatreto ary isan’ny niverimberina koa ny hoe mila atsahatra faran’izay haingana izao fitondrana mijoro izao. Atomotra ihany anefa ity ny 2018 izay taom-pifidianana, hoy ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana saingy mbola tsy hita ihany hoe nirodana nankaiza ilay fitondrana ary nitondra inona ireo hetsi-panoherana miseho hatreto. Omaly iny izany vao mba nisy tononkira indray ilay fiverenana efa saika ho dridrangilo tao ho ao saingy ny hany antenaina aloha dia ny mba hitondran’izany vahaolana tokoa amin’izao raharaham-pirenena nanary soatoavina nihoatra ny loha izao.

Mirija   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT