Edito

Izay tsy faly mibontsina


  • Talata 16 Janoary 2018

Ho an-terisetra hatramin’ny farany ve izany no hanatontosana ny zava-drehetra mba ho tombontson’olom-bitsy ao anatin’ny 5 taona manaraka indray? Tsaroana ny fianianan’ny filoham-pirenena ankehitriny teo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny vahoaka Malagasy nialohan’ny nandraisany fahefana 4 taona lasa izay.

 


 Hikatsaka ny tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra aho, hoy izy izay. Ankehitriny mipetraka ny fanontaniana. Tena samy nahazo ny anjara tombontsoany tao anatin’izao fitondrana izao tokoa ve ny Malagasy tsy an-kanavaka? Sao dia ireo vahiny mpiara-miombon’antoka navela higalabona amin’ny tanin’ny Malagasy sy ny hareny, eny ny fihariany mihitsy, tahaka ny sinoa sy karana ary tiorka no miara-migalabona amin’ny fitondrana amin’ny fitavanana izany tombontsoa izany? Sao dia ireo namana akaiky ny mpitondra sy ny fianakaviany? Na eo aza anefa izany, sahin’ny fitondrana ankehitriny ny milaza fa be ny efa vita ary mitohy ny fisandratana. Sao dia terena ho ekena hoe hitohy ny tena marina? Tahaka ny nanerena ny fametrahana ilay sata mifehy ny fifandraisana sy ny nanerena ny minisitry  ny fambolena teo aloha ho lasa filohan’ny antenimieran-doholona ihany koa ve izany no hanerena ny fifidianana tsy maintsy hisy ka handaniana indray ny filoha ankehitriny? Firifiry moa izay rafitra isan-karazany nitaky ny hamoahana amin’izay ny kalandarim-pifidianana izay fa tonga amin’ilay fitenenana fahiny angamba izy ity hoe “ izay tiako ihany io ka izay tsy faly mibontsina”.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT