Isan’andro dia andrenesana ny tsy fahombiazan’ny FAT sy ny fepetra petatoko hamonoana afo raisin’ireo mieritreritra azy fa manampahefana eto amin’ny firenena. Hita ho mitombina ihany ny fanamarihan’ny olona iray hoe : tsy misy azo antenaina amin’izao fitondrana izao, ary tsy misy tokony hifampiraharahana aminy mihitsy, fa izy miala eo no tena dingana lehibe amin’ny famahana ny krizy sy ny fandaminana ny fiarahamonina. Efa maro tokoa mantsy ny karazana fifampidinihana, isan’andro no mivoaka ny fanamarihana sy fanakianana na eto an-toerana io na avy any ivelany. Manao tohivakana, tsy mety ritra fa loharano miboiboika ny fitokonana sy fitakiana, saingy hita ho tsy mihontsona ny FAT. Fa ny ataony ihany no ataony. Rehefa nanapa-kevitra ry zareo fa hanao fifidianana amin’ny 17 novambra 2010 dia hataony izany, na olona 100 aza no handeha hifidy eo.
Efa nisy tamin’ireo mpikambana FAT mihitsy namoaka vava, fa adalan’izay tsy mirotsaka kandida na manohana foto-kevitra, fa izay lany eo dia lany ary tsy maintsy heken’ny rehetra foana … indray andro any. Voalaza indray izao fa tsy afaka hanatrika ny fivoriambe fanaon’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena isan-taona izay hanomboka ny 17 oktobra izao isika, ary tsy nahazo fanasana amin’izany mihitsy ny FAT, kanefa dia tsy mihetsi-bolomaso ry zareo fa milamin-tsaina tsara ary manohy ny propagandy. Fotoan-dehibe handinihana ny fiaraha-miasan’ireo sampandraharaha roa goavana amin’ny resaka famatsiam-bola iraisam-pirenena ireo amin’ireo firenena mifandray aminy anefa io dinika atao any Washington io. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola nahita lalan-kafa ahitana famatsiam-bola i Madagasikara ka mionona amin’ireo.
Dia efa voadingana indray izany aloha isika amin’iny resaka iny. Tsy taitra ny FAT fa efa matoky ny 100 tapitrisa dolara nomen’ny Wisco, hono, ary mety mbola hanome vola be hafa indray aza ny Sinoa izay efa manomboka mitrandraka solika any Sakaraha indray koa amin’izao fotoana. Ny vola amin’ny raharaha «bois de rose» amin’izany toa maka toerana tsara any amin’ny banky any, ary olona ambony no tompona kaonty amin’izany. Tena tanteraka izany eto ilay hoe : izay tiany ihany no ataony, ary tsy mampihontsona azy izay fanakianan’ny hafa. Horakoraka tokoa angamba ny an’ny sahona, fa ny tsiboboka no tena tompon’ny rano…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.