Edito

Izay tiako ihany io !


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Nangingina teo indray ny resaka Remenabila. Ilay vaomiera manokana natsangana nandritra ny filankevitry ny governemanta handray an-tanana ny serasera manodidina iny raharaha iny aza tsy nandrenesam-peo.

 Soa aza fa nisy ilay “action” tao amin’ny HJRA taorian’ilay savoritaka nandritra ny fampidirana mpijery rugby teo Mahamasina ny alarobia 04 jolay, hisintonana ny adihevitra sy ny sain’ny olona mba tsy hifantoka amin-dRemenabila intsony. Rehefa manenjana indray anefa ireo sendika, ary antomotra ny datin’ny 11 jolay dia nisy andian’olona tampoka tonga tao an-tokotanin’ny HJRA milanja sorabaventy mila vaniny amin’ireo dokotera sy ny Paramed. Efa an-taonany anefa ireo no nanao fitakiana sendikaly tao tsy nisy resaka na koa hoe “réquisition”. Tampoka teo koa dia nisy fiaran’ny ministeran’ny fampianarana may teo am-pototry ny trano fonenan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis. Dia ho sanatria ve tetika handotoana ny Sempama indray koa iny ? Nosokafana moa ny fanadihadiana hikarohana ny marina, koa dia samy miandry ny rehetra. Fa raha ny zavatra mpitranga eto dia toa tonga amin’ny tenin-jatovo hoe izay tiako ihany io !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT