Edito

Izay tiako ihany io


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

Nahoraka an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery ny trafikana «bois de rose» izay nirongatra be tato anatin’izao tetezamita izao.

 Mila ho isan’andro koa no andrenesana tranga fanolanana zaza tsy ampy taona. Tsy vitsy amin’izy ireny no taterin’ny gazety sy taterin’ny haino aman-jery. Samy voakilasy ho heloka bevava na itsy voalohany na ity faharoa. Misy olom-boatendry amin’izao tetezamita izao voarohirohy amin’ireo tranga ireo. Nahazo fampiantsoana tany amin’ny zandary Razafindramaro Ezechiel, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, tany dia tsy niverina ary dia nidoboka eny Antanimora. Voasaringotra amin’ilay raharaha “bois de rose” enina kaontenera tratra tao amin’ny Nosy Maorisy ny volana martsa 2011 teo tenany. Resabe sy don-databatra mihitsy tao Tsimbazaza teo anatrehan’izay, fa hoe tsy voahaja lalàna sy ny fitsipi-pifehezan’ny Kongresy tamin’ny fisamborana. Tsy nampihontsona ny mpitondra FAT izany, ary dia mbola voatana am-ponja vonjimaika mandraka aankehitriny ingahy Ezechiel na hita mivezivezy ety ivelany matetika ihany aza.

Faramparany teo, voarohirohy amin’ny fanodinkodinana sy fanolanana zaza tsy ampy taona tany Antsohihy tany i Jao Jean, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Maro ny fanehoan-kevitra nataon’ireo mpanao politika sy olom-boatendry mitovy aminy, mikasika an’io. Tamin’ny herinandro lasa iny ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) dia mbola nampahatsiahy fa misy ny didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana mikasika io raharaha io, nefa tsy mbola nampiharina ka mahagaga azy ireo, satria dia miriaria tsy amin-tahotra na ahiahy akory io olona voakasika io. Miharihary eto fa misy ny ananana henamaso na atahorana amin’ny fampiharana lalàna, fa ny hafa anefa tsy misy indrafo. Ity angamba izany no tonga amin’ny fitenin-jatovo manao hoe izay tiako ihany io !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT