Efa hatrany amin’ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana no nahenoana an’izany teny hoe « hojereko manokana ianareo eto an’Anona… », « eto no hanaovantsika ho izao an’i Madagasikara… ».
Iny indray izany izao dia hoe Moramanga no hanaingana ny fampandrosoana. Fampanantenana izao. Izay tany aleha rehetra. Saingy hatreto aloha izany ny rehetra dia mbola samy mametra-panontaniana hoe aiza ? Aiza ny bainga voavadika mikasika ireo voambara tao anaty praograma ? Fa angaha moa tsy hoe efa dodona indray ny vahoaka ? Ekena fa mbola misy 40 andro vao ho feno ilay 100 andro tsy hitsikerana saingy tsy azon’ny olom-pirenena atao, raha mbola mahatsiaro ho tompon’andraikitra koa anefa ny mampaneno lakolosy rehefa sanatria tazany ho mitady hizotra any amin’ny kizo ny fireneny. Anisan’ny nanakianana fatratra ny mpifaninana politika voalohany amin’ny filoham-pirenena ankehitriny efa hatramin’ny 10 taona lasa ka hatramin’izao ny hoe miantehitra lava amin’ny mpamatsy vola. Fony mbola ben’ny tanàna aza moa ny filohan’ny HAT teo aloha dia fatra-pilaza fa nandova trosa ny kaominina novantaniny. Bokan-trosan’ny teo aloha, hono, ny firenena avy eo. Samy mahalala sy afaka mandinika anefa ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena tsirairay hoe hatraiza ary izany izao ny vita tamin’ny fanatanterahana ilay teny manan-tantaran’ny filoha ankehitriny hoe “hovitaintsika ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy efa tao anatin’ny 58 taona”. Efa afaka ary ve izany ireo trosa nolazaina fa nangeja ary mora ve no nanala azy ireny ? Tsy manana sehatra iraisam-pirenena maneritery azy intsony tokoa ary ve izany ny fitondrana ankehitriny sa vao mainka aza ireo firenena mba niantehitra amintsika teo aloha no manjary hiankinantsika loha indray ankehitriny ? Vao tsy ela akory isika no nanao fifanarahana miteraka resabe mandrak’ankehitriny amin’ny firenena rahavavy etsy akaiky kely etsy. Andro vitsy koa moa izay no nahatsiarovana ny tolo-panafahana nataon’ireo razambe tamin’ny 47. Nandeha indray ny fampanantenan’ny filoham-pirenena hanampiana ireo rehetra mbola tsy tontosa akory teo. Fahafahana ara-tsakafo sy toekarena ary kolontsaina, hono, no tanjona. Hitondra ho amin’izany ve ny tetikasa tranobe mijoalajoala izay mbola Ambatobevohoka koa hatramin’izao ? Hitondra ho amin’izany ve ny fanenjehana ireo mpandraharaha Malagasy sy mpiaro ny tanin’ny Malagasy ? Hitondra ho amin’izany ve ny fanitarana ny fampihavanam-pirenena ? Samy mamaly ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.