Edito

Izay sahy maty … mifono lamba mena


  • Alakamisy 09 Jona 2011

Fa rahoviana ihany ary vao hifarana ny krizy ? Izay izao no tsy afaka am-bavan’ny maro nanomboka ny talata teo raha vao nahafantatra fa mbola hisy indray karazam-pivoriana roa farafahakeliny taorian’i Gaborone.

 Ny voalohany aloha dia ny amin’ny sabotsy ho avy izao any Sandton Afrika Atsimo. Fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-pirenena ao amin’ny Sadc izy io ary voatondro fa fotoana iray hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny mombamomba ilay sori-dalana hamahana ny krizy. Aorian’izay anefa dia voalaza fa mbola hisy indray fihaonana iray hafa izay mety hotanterahana eto Antananarivo hanaovan’ireo ankolafy politika rehetra nandray anjara tamin’ny dinika sonia ilay sori-dalana, izay vao hiroso amin’ny fampiharana azy. Fa etsy ankilan’izay, ireo izay nandinika tsara ny fanambaran’ny Sadc navoaka tany Gaborone ny 7 jona lasa teo dia mahatsapa fa tahaka ny miverina indray ilay fialana bala ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ka avelan’izy ireo hikatro-doha hitady ny marimaritra iraisana ny samy Malagasy.

Ao ihany koa ireo mieritreritra fa karazan’ny manao mpitsara mampiady baolina ihany ny Sadc ka izay tena sahy miaro hatramin’ny farany ny heviny sy tsy mikoso-maso amin’ny zavatra rehetra ataony no hekeny sy hahazo rariny ka hotohanan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izay. Raha hazavaina kely dia mametraka ny toromarika sy ny zavatra andrasan’ny avy any ivelany araka ny fenitry ny fanajana ny demokrasia sy ny lalàna iraisam-pirenena fotsiny ireo mpanelanelana fa miandry kosa izay ho fihetsik’ireo ankolafy politika isan-karazany eto amintsika. Efa naverimberina tany Gaborone moa fa tsy manohana ankolafy politika na kandida ny Sadc sy ny sehatra iraisam-pirenena fa kosa manamora ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy mba hivoahan’ny marimaritra iraisana. 

Maro anefa no mahita fa samy efa manana ny tohanany amin’izao raharaha izao ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena matanjaka fa miankina tanteraka kosa amin’ilay olona na ankolafy ny hahatafita na haharendrika azy. Na dia nitombo aza ny isan’ny ankolafy mandray anjara amin’ny fifampidinihana dia mbola mitoetra ihany ilay hoe Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana no mpifanandrina fototra amin’izao krizy izao. Iza no tena mahery ka sahy maty hifono lambamena amin’izy mianaka ireo ? Eo am-pelatanan’ny filohan’ny FAT ny fahefana ara-panjakana rehetra amin’izao fotoana. Izy no manapa-kevitra farany na avela hiditra eto na tsia ny  filoha teo aloha. Atoa Ravalomanana koa dia manana safidy na hanaiky ny fandrahonan’ny FAT isan’andro lava izao ka hijanona any Afrika Atsimo dia hiandry ny marimaritra iraisana sy ny karazana fivoriana atao isam-bolana, na hitady ny hevitra rehetra hahafahany miditra eto Madagasikara na manaiky na tsia ny FAT. Izay no fahitan’ny mpandinika ny raharaha politika ny toe-draharaha misy eto amintsika amin’izao fotoana. Azo antoka tokoa mantsy fa hanova zavatra maro be ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara ary izay vao tena hiady amin’izay ny baolina. Tombantombana avokoa izany rehetra izany ary izay sahy maty mifono lambamena e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT