Edito

Izay nafafy no honjinjaina


  • Zoma 05 Janoary 2018

Sarotra ny hino sy hanantena, fa mba ho tonga saina sy hahalala ny tokony hataony ity fitondran-dRajaonarimampianina ity. Ny fanenjehana sy ny tsindry mahzo azy ve no mafy ka vao mainka tsy mahita izay horaisiny izy sa izao ilay hoe tànana efa zatra mitsotra? Miliba, mifety, mirevy, manao kolikoly,… izay aloha no hita sy misongadina.

Ny ankoatra, toy ny famahana ny olam-bahoaka ambinambin-javatra. Tsy nisy dikany sy tsy niantraika tamin’ny rehetra akory izao ny resaka fampihenana ny vidim-bary saingy nangingina ny vahoaka, ka dia adino. Miandry filanjana sora-baventy ve vao ho avy indray hamono afo. Sahirana sy tsy manam-potoana hanaovana izany intsony ny ambanilanitra, ka dia zaran’ny fitondrana aza misy an’izay hilaminan-tsaina any an-dapa rehetra any. Mbola manantena valim-babena tsara sy mahafa-po amin’ny Malagasy anefa amin’ny fifidianana, kanefa efa ny fahantrany mihoampampana izao no hatao fitaovana. Izay mamafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio, hoy ny fitenenana. Tsy adala ny vahoaka hamerina an-dRajaonarimampianina eo, ka raha tena mahatoky sy mahatsapa ho nanao ny mety sy ny tsara izy tsy hatahotra fifidianana. Tsy hatahotra sy hirorohoro amin’ny kandida na iza na iza, ary havela hirotsaka izay te hirotsaka fa tsy hanaovana antsojay. Efa fantany anefa hoe izay nafafiny ihany no hojinjainy, ka mailo sy tora-kovitra satria mafy sy mangidy izany very fihinanana izany. Misy fetrany anefa ny zava-drehetra!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT