Izay nafafy no hojinjaina !

Tsy misy maniry ny hisian’ny


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2025

fifandonana lava eto amin’ny Firenena,

ary tokony ho lesona ho an’ny mpitondra sy mpanao politika izao zava-misy eto amin’ny Firenena izao. Tsy misy ny tonga lafatra, tsy azo hamaivanina ny ahiahy samihafa, betsaka no mametra-panontaniana hoe : hanao ahoana izany ny ho avy ? Manomboka velom-panantenana ny olona, miandrandra fiovana sy fanovana,… Ny irariana araka izany dia ny hivoaran’ny toe-draharaha makany amin’ny tsara kokoa ny toe-draharaha, ho tolona makany amin’ny fivoaran’ny Malagasy fa tsy sanatrian’ny vava ho tolona politika fotsiny ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy. Zava-dehibe, ary kihon-dàlana lehibe ny fahatongavan-tsain’ny tafika, izay naneho fa avy amin’ny vahoaka ary tsy hiverina amin’ny vahoaka, tonga saina fa tsy mety sy tsy mahasoa ny habibiana atao amin’ny mpiray tanindrazana. Mbola eo ilay fo mitempo Malagasy, na mety misy aza any an-daniny mampiasa vola tsy toko tsy forohana ho an’ny fiarovan-tseza sy fahefena. Asa raha mba nandray lesona fa misy farany ny zava-drehetra, ny rehetra nafafy tsy maintsy mbola hojinjaina. Tsy adala na sanatria tsy misy atao io vahoaka Malagasy io fa matoa tonga amin’izao dia tofoky ny fiheveran’ny mpitondra ny tenany ho amperora ka tsy refesi-mandidy amin’ny vahoaka ! Misy farany ny zava-drehetra ka ny vahoaka no mitsara ! Irariana mba hifarana eto ilay fiheverana sy fireharehana amin’ny herin’ny vola, ny jadona, nieritreritra an’ireo tafi-bahoaka ho « robot » ka hamoritra mandrakariva ny mpiray tanindrazana,… Enga anie mba tsy hiverina intsony ny Fanjakana miorina teo ambony fahefana tsy tena azo tamim-pahamarinana, sarintsarina fahamarinan-toerana politika noho ny fifidianana feno lonilony sy hosoka,… Fotoana hanovana ny Firenena izao ! Fotoana hanarenana ny fomba fitantanana ny Firenena, ka enga anie tsy lasa mivaona any amin’ny tombotsoan’olom-bitsy fa mba tolona manokatra pejy vaovao ho an’ny Firenena hananan’ny isam-batan’olona ho avy mamiratra sy azo antoka kokoa !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT