Edito

Izay manina manatona


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Mitohy hatrany ny dingan’ireo vahoaka marobe sy ireo solombavambahoaka manohitra ny fampandaniana lalàna amboletra eto amin’ny tany sy ny firenena. Raha tsiahivina, anisan’ireo niantso fifampidinihina efa ela izy ireo saingy voarindrim-baravarana hatrany.

 


 Naterina teny amin’ny toerana sahaza azy moa iny omaly iny ny fangatahana ny fametraham-pialan’izay heverina ho tompon’andraikitra amin’izao zava-manjo ny firenena izao. Tsiahivina indray kosa anefa fa tao ho ao koa izay ny naman’izy ireo dia mba niantso fifanatonana sy fifampiresahana satria tsy misy tsy vitan’izany, hono. Tsaroana anefa talohan’izay raha tsy mbola nisy ny nitroatra na dia nampandeferina lava izao aza fa ireo mampiantso fifampidinihana ankehitriny dia nanizingizina matetika mihitsy fa tsy ilaina izany satria efa miroso amin’ny « fampandrosoam-pirenena » isika. Ankehitriny rehefa miharihary fa tsy maintsy hisafoaka izay nahatsiaro ho nasaina nanaiky lembenana vao miolomay miantso fifampiresahana ireo nahita « fisandratana » azy ireo samirery. Mbola mampametra-panontaniana ihany anefa hoe tena vonona ny hifampiresaka sy hifanatona tokoa ve ireto nampiantso ireto ary tena mila izany ? Sao dia misy fandrika ambadika kosa ? Tsy nampoizin’ny fitondrana HVM ve fa manam-petra ny  vola sy ny hery izay tsy hahaleo ny fanahy na oviana ? Ny azo antoka aloha dia mba miandry izay fihetsika maneho fahendrena farany avy amin’ny mpitondra azy ireo ankehitriny Ramalagasy. Hametra-pialana ve sa hiziriziry ? Farafaharatsiny misy ny fomba fiteny hoe « Izay manina manatona ».

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT