Edito

Izay iray trotraka aloha e !


  • Zoma 06 Jolay 2018

Mitohy ny tolona sy ny fitakiana amin’ny endriny samihafa, saingy tsy misy aloha ny tena vahaolana. Bemarenina sy fanamaivanana rahateo no tena setriny, izay vao mainka mandranitra ireo mpanao fitakiana izay miha mahazo hery hatrany indray amin’izao fotoana izao.


 Na misy ambadika politika na tsy misy ireny, dia mazava aloha fa tena tsy manana vahaolana mafonja sy mahafa-po ny fanjakana, izay toa efa zatra manentsin-tadiny fa ny amboletrany no mahamay azy. Tsy misy tany milamina eto, fa mandeha avokoa na fitakiana politika na ny an’ny sendika samihafa, saingy ny masaka ao an-tsain’ny mpitondra dia toa te hiteny angamba hoe : rehefa reraka ve tsy ho leo ihany e ! Mandeha ny fitakiana ny fialan’ireo minisitra HVM ao anaty governemanta, izay tsy fantatra mazava ny mason-tsivana namerenana sy nampidirana azy satria tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Hodiana tsy henoina izany, ary tsy misy ny fanazavana mafonja hoe inona tokoa moa izany no tena antony.  Mandeha ny fitakiana ny fanovana ny Vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI amin’izao izay ahiana hitanila. Henoy izany ry hazon-damosiko ny setriny,… Mandeha ny famondronan-kerin’ny mpanao politika sasany tsy mankasitraka ny fifidianana, fa dia ny hoe roso ny dia ihany ny an’ny ankilany e! Ho tonga hatramin’ny farany ve anefa sa ho trotraka an-dàlana ihany? Ny efa natomboka tsy maintsy sarahana, ka na be marenina aza ny andaniny dia ny efa natomboka tsy maintsy tohizana ka izay iray trotraka sy resy, hoy ny andaniny. Mitohy ny gidragidra!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT