Edito

Izay hipoahany eo hirehetany


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Milamina io e ! Azo tanterahina ny fifidianana fa tsy tokony hahemotra intsony, hoy ny sehatra iraisam-pirenena izay nisesisesy mihitsy ny fanambarana tato anatin’ny fotoana vitsy.

 

 

Roso amin’izay izany Ramalagasy handatsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenena afaka 7 andro, fa dia efa tongotra mby an-dakana ity. Raha vantanina ny resaka dia hoe aleo hiteny izay hiteny, aleo hanakiana izay hanakiana. Roso ny fifidianana ka izay hipoahany ao hirehetany, araka ilay fomba fiteny angamba izy ity. Ireo kandida sokajiana ho matanjaka sy manana herijika betsaka rahateo, dia tena misikim-ponitra mihitsy manao fampielezan-kevitra. Ny sasany aza dia mampiasa fomba maloto mihitsy amin’ny famafazam-bola sy teti-dratsy samihafa. Ny sasany mandeha amin’ny hitsim-po ary mahatoky ny vahoaka ao an-damosiny hiara-kanangana fa tsy handrava. Ho tratry ny tosi-bohontanana mazava ho azy ireo kandida manitrikitrika fa misy tsy mety sy tsy milamina ao, ka tonga amin’ilay voalazan’ilay mpilalao sarimihetsika Malagasy malaza izay hoe: “midina rehefa tsy handeha” raha izao sarisary miseho izao. Miakatrakatra ny maripana eo anatrehan’izany. Sokajian’ny maro ho kandida salantsalany moa izy ireo mitaha amin’ireo kandida hita ho misongadina, ka dia ambara angamba hoe: isan’olona fotsiny matoa tsy misy mpihaino. Misy ny manasokajy azy ireo ho nanao tsobo-dranon-dRamiangaly, ka raha marivo hirobohana fa raha lalina hiverenana. Na inona na inona anefa aloha tanjany sy heriny, dia misy ny zavatra ambaran’izy ireo mitombina, ary io zatra manamaivana sy tsy miraharaha ny hafa io no mety ho poizina ka sao ho tratry ny hoe: izay be no basy na koa hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra eo e ? Politika rahateo no lalaovina eto ka asa aloha izay hiseho, fa manomboka sahy, manomboka mifamoaka taim-bava, manomboka mifandrangaranga hery. Samy miandry izay hipoahany eto isika e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT