Ny fomba nilazana sy nanoratana azy fotsiny no niova fa raha ny votoatin-kevitra dia mitovy sy sahala amin’ny efa naroson’ny mpanelanelana hatramin’izay ihany, raha ny fihaonana tany Gaborone no resahana.
Na ny fihaonana tany Maputo na tany Addis Abeba na ny tatsy Pretoria dia tsy mifanalavitra mihitsy amin’ny nambara tao Gaborone, dia ny maha zava-dehibe ny hametrahana tetezamita iaraha-mitantana ahitana ny ankolafy rehetra. Midika avy hatrany io toromarika io fa tsy mbola tetezamita iaraha-mitantana izany no misy eto amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana manara-penitra madio sy mangarahara eo ambany fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana. Manampy izay dia ny famelana ireo mialokaloka any ivelany hody eto Madagasikara, ka voakasika manokana amin’izany Atoa isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Nomen’ny SADC andraikitra mba hanomana izany fiverenan’izy mirahalahy an-tanindrazana izany Atoa Andry Rajoelina filohan’ny FAT.
Mitarika any amin’ny dingana manaraka avy hatrany moa izay fiverenana izay dia ny fahafahan’i Marc Ravalomanana milatsaka hofidiana filoham-pirenena. Na tsy mbola nisy aza ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy tonga dia takatry ny maro fa tsy hanaiky an’ireo fepetra sy toromarika ireo ny FAT ka hanao fanambarana miezinezina indray anio na rahampitso i Andry Rajoelina. Misy rahateo ny fety be etsy amin’ny Lapan’ny tanàna amin’ity herinandro ity izay eo ambany fiahiany ka azo antoka fa raha tsy manao fanambarana eny Ivato izy amin’ny fiverenany dia hanao izany eo Analakely. Efa fambara zavatra ny nametrahan’ny SADC an’i Andry Rajoelina amin’ny toeran’ny maha mpitarika ny antoko TGV azy, ary na ny toerana nomena azy tao amin’ny trano fivoriana aza dia teo amin’ny filohan’ny delegasionin’ny TGV fa tsy nisy soratra mihitsy teo hoe filohan’ny FAT izy na filohan’ny fitondrana tetezamita.
Raha atao indray mijery ny zava-nitranga tato anatin’ny herinandro izao dia toa mahazo tombon-dalana ny Ankolafy 3 izay nanitrikitrika fa fifampidinihana fa tsy tonga dia sonia no atao any Gaborone. Azo sokajiana ho mpamahan-dalitra kosa ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina nilokaloka fa sonia sisa no atao fa tsy misy mifampiresaka izany intsony. Ankoatra izay, raha ny mandrafitra ny delegasionina indray dia mazava be ny resaka fa tsy hahatohitra ny Ankolafy 3 mihitsy ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina, izay ahitana mpamadika maromaro ihany sy mpanao politika tia tena tsy mieritreritra afa-tsy ny hahazo fitondrana ary hijanona eo maharitra. Teo amin’ny paikady ara-politika ihany koa dia hita fa nanana tombony amin’ny traikefa sy ny fandresen-dahatra ivelany ny Ankolafy 3 tamin’ny alalan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. Hita fa fahotana mahafaty nataon’ny FAT ihany koa ny nanenjehany ny Profesora Raymond Ranjeva izay mpitsara iraisam-pirenena, mpanolotsaina ny Papa Ray Masina ary mbola matanjaka aty Afrika sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izay be no basy, hoy isika Malagasy, saingy mety hafa no nandikan’ny FAT io ohabolana io ka nahatonga azy ireo hijabaka isaky ny mihetsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.