Tombanana ho 3% ny fitombon’ny harinkarena eto Madagasikara amin’ity taona ity ary vinavinaina ho 7% ny fidangan’ny vidim-piainana. Niakatra ny vidin-tsolika ary mbola hiakatra io satria hitombo 1000 ariary be izao isaky ny litatra ny solika amin’ity taona ity raha ny fanirian’ireo kaompania goavana mivarotra azy eto amintsika.
Ampy hisaintsainan’ny tsirairay ireo tarehimarika ireo ny amin’ny hoe aiza ho aiza ny fahasalaman’ny toekarena ary hanao ahoana ny fiainan’ny isan-tokantrano atsy ho atsy ? Tena mbola firenena sahirana i Madagasikara ary vao miha mampitombo ny fahasahiranana ny tsy fananan’ny mpitondra programan’asa mazava hiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana izay misy akony ratsy any amin’ny fiainan’ny isam-pianakaviana. Tsy dia atao mahagaga io tranga io satria firenena nandalo krizy nandritra ny 5 taona isika, tsy nisy zavatra nandeha araka ny tokony ho izy teto, fampandriana adrisa no betsaka. Norotsorotsian’ny mpitondra tetezamita tamin’ny lainga tsara lahatra ny vahoaka, nohararaotina ny tsy fahampian’ny fahalalany. Izao anie vao tena hita taratra ny fahatapahan’ny famatsiam-bola nandritra ny 5 taona e ! Ary efa nilaza an’io ny mpahay toekarena hoe aorian’ny tetezamita vao ho tsapa amin’izay ny tena krizy. Tahaka ny hoe orinasa iray tsy namokatra nandritra ny 5 taona i Madagasikara, ny vola ambim-bava no niainana. Tapitra izao ny paiso an-kady dia io fa tsy hitan’ny mpitondra intsony izay hatao. Manomboka tena miantraika any amin’ny tsirairay ilay krizy. Ato ho ato anefa dia efa hampiditra mpianatra indray ireo ray aman-dreny, mila vola daholo izany rehetra izany. Minisitry ny vola teo aloha ity lasa filoha ity. Haiko ny mitady vola, hoy izy. Ho hita eo izany fahaizany izany. Fa mampametra-panontaniana ihany koa aloha hoe : mitady vola ho an’ny firenena ve sa ho an’iza no tena hain’Atoa filoha e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.