Edito

Izao sisa !


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Nalaza ny politikan’ny kibo tamin’ny repoblika voalohany ary dia niezaka nianoka izany ny olom-pirenena rehetra.

Nisy ny tetikasa napetraky ny filoha tamin’ny fotoan’androny mba tena hitombonan’io foto-keviny io tokoa saingy rehefa nisy nahatsikaritra moa fa mbola namofompofona fanjanahantany ny fitondrana nijoro dia nipoaka ny raharaha 1972. Nasandratra indray avy eo ny paradisa sosialista. Rehefa nandeha teny ny volana sy ny taona, tsy hitan’ny olom-pirenena soritra koa ny paradisa ary dia notapahana ny hevitra fa aleo indray mitady zava-baovao rehefa tonga ny taona 1991. Hoentintsika miakatra kosa ity firenena ity, hoy ny profesora, kinanjo vetivety foana dia nidaraboka koa ny fitondrany satria nitohy ny tsy fahafahampon’ny vahoaka. Am-perinasa isika izao, hoy ny filoha Ravalomanana nanomboka ny taona 2002, saingy nanoatra noho ny ditran’ny zanak’Israely indray ny ditrantsika mianakavy nony tonga ny taona 2009 ka dia narodana hatramin’ny efa tafatsangana. Ny tiana hiaviana dia samy nanana ny vinany avokoa ireo mpitondra rehetra nifandimby na dia nety na tsy nety nefa dia izao sisa no niafarantsika. Anjaran’ny tsirairay no mandinika !

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT