Edito

Izao sahady dia efa voabaiko ?


  • Talata 13 Febroary 2024

Nivoaka indray iny ny volavolana tetiandrom-pifidianana !

Samy nametra-panontaniana ny rehetra hoe : nahoana tokoa no ny ben’ny tanàna no lany fe-potoana iasana kanefa ny fifidianana solombavambahoaka no mandeha aloha ? Dia tena hoe : izay ve no safidin’ilay vaomiera sa dia teny tena manara-davahana manoloana ny baiko avy any ambony ? Marina fa misy ny fanavalana ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna sy mpanolontsaina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ka afaka manohy ny asany mandra-pahavoafidy ny vaovao. Tamin’ny fanolorana ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta no nilaza ny Filoha ankehitriny fa hiroso amin’ny fifidianana solombavambahoaka ka io no isan’ny hikatsahan’ny fitondrana ankehitriny fahamarinan-toerana indray, isan’ny iraka ampanaovina ny Praiminisitra,… Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe : nanaraka an’izay ny vaomiera misahana ny fifidianana sa kajy efa vita ? Mipetraka tokoa ve ny tsy fitanilana ? Lojika ve ny hoe : ny ben’ny tanàna no lany taom-piasana no hahemotra 11 na 10 volana ny fifidianana fa rehefa ny fifidianana Filoham-pirenena no nangatahan’ny herivelona samihafa fa mila diovina aloha ny fifidianana Filoham-pirenena mba hisian’ny lalao madio saingy nororitina tany amin’ny hoe : mila hajaina ny lalàmpanorenana ? Dia samy miandry izay ho tohiny indray ny amin’io fifidianana ho avy io, fa ireny efa nandeha ireny ny filazana fa mikatsaka toerana 120 ny volomboasary, ary mandeha ny kabary samihafa miendrika fandemen-tsaina fa tena lojika ho azy ireo izany. Dia asa hoe : fifidianana efa nibanaka araka ny fitenin’ny tanora, zara raha nisy mpifaninana aza tamin’ny fifidianana filoham-pirenena kanefa dia 58% tamin’ny tonga nifidy no nampandany ilay Filoham-pirenena. Ny mpifidy 8,2 tapitrisa tamin’ny 11 tapitrisa teo tsy nisy resy lahatra taminy. Dia tena mitombina ve ny maro an’isa efa ho 80% na mahery ho an’ny volomboasary ao anatin’ny fifidianana raha tena fifidianana madio? Dia tena hoe : mbola resy lahatra ve ny vahoaka eo anatrehan’ny fahantrana lalina, tsy fandriamphalemana, vidim-pianana midangana, sandam-bola mitotongana, toekarena mitolefika,… Samy manana ny hitany tokoa angamba ka ny any anaty fitondrana mahita fa miaina anaty paradisa ny Malagasy, fa ny valalabemandry kosa miady amin’ny kapoaka ka ny hoanina anio tadiavina rahampitso !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT