Izao no handrefesana

ny fahaiza-manao !


  • Talata 17 Febroary 2026

Mandalo fotoan-tsarotra ny Firenena

na ara-politika, na ara-tsosialy, na ara-toekarena, na ara-diplaomatika,… Vao avy niaina fifandirana politika nialohavana fitantanana tsy mahomby, Fitondrana jadona,… Dia izao mbola notsenain’ny loza voajanahary henjana. Ny fiatrehana an’ireny no isan’ny mari-pandrefesana hahitana ny fahombiazana na tsy fahaizan’ny fitondram-panjakana iray. Tsy mora ny mitantana Firenena, saingy mba hita taratra kosa aloha ny finiavana hiasa sy hamaha olana, tsapa ny finiavana hanova sy hanavao ny fitantanana,… Dia ireny manomboka hita soritra ireny ny endrika fahombiazana ara-toekerana na anatin’ny sarotra aza : fahafahana mampiakatra karaman’ny mpiasam-panjakana anatin’ny 3 volana monja nitondrana Firenena raha toa ka am-polo taonany tsy hita izay nataon’ny teo aloha ; fijerena ireo mpampianatra isan’ambaratongany sy fanavaozana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Ampahany ireny, fa amin’ny lafiny diplaomasia sy fifandraisana iraisam-pirenena, misy fivoarany ary raha hanao fampitahana dia samihafa mihitsy ny fametrahan’ny Firenen-dehibe sy ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra antsika amin’izao sy ny mpitondra tamin’ny 2009 izay nosokajian’ny Afrikanina ho « sans qualité » ohatra. Tena samihafa ! Mahomby kokoa ny adidisisika atao ankehitriny mitaha ny tamin’izany, izay porofoin’ny fitohizan’ireo fiaraha-miasa samihafa iraisam-pirenena izay tsy mijanona fotsiny amin’ny lafiny maha olona. Tsy voatery hankasitraka ny Fitondrana amin’izao ny rehetra, saingy tsy any amin’ny fiezahana hamingana sy handavo angamba no vahaolana, fa any amin’ny fifanomezan-tanana hizorana makany amin’ny tsara kokoa hatrany. Tsy azo atao ihany koa anefa ny mijery arina an-tava, tsy takona hafenina ireo lesoka sy toe-javatra ilàna mangarahara, izay tsy tokony hanaovana bemarenina satria izany no isan’ny poizina nandavo ny teo aloha !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT