Edito

Izany foana ve ?


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

30 volana izay no nisian’ny krizy. Efa maromaro ihany ireo fotoana nieritreretana fa hifaranan’izany, saingy tafita vao rendrika ireo dinika rehetra.

 Ny fehin-kevitra farany ao anatin’ny sori-dalana aza tsy mbola maharesy lahatra ny sasany hatramin’izao, kanefa toa hoe efa tapitra ny fifampidinihana. Niezaka faramparany ny Raiamandreny Mijoro saingy nitsefotra ny teny Ivato. Ireo efa malaza mpamadika palitao sy tsy mahalala menatra intsony misandoka ny anaran’olona no nanabe isa teny. Tsy hita popoka ny solontenan’ny firenena vahiny na dia niangaviana mafy sy nandefasana fanasana aza, i Frantsa koa namalan-kira fa tsy nandefa solontena teny. Ny vanim-potoana diavin’ny firenena rahateo moa tsy hahafahan’ny mpanao politika mifanasa vangy tahaka ny fanao hatramin’izay. Mipoitra etsy sy eroa ihany anefa ny hevitra isan-karazany mba hikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy. Ny olana dia tsy maintsy misy ankolafy na vondrona politika tsy resy lahatra foana amin’ireo mpanelanelana mijoro. Izay no mahatonga an’ilay hoe ataovy fiaraha-mitantana koa ny vondron’ny mpanelanelana eto, izany hoe mitambatra ao avokoa ny FFKM, ny Raiamandreny Mijoro, ny CNOSC sy ireo izay rehetra milaza azy fa mpanelanelana, amin’izay samy manana ny azy ao dia manaiky hivory sy hidinika amin’izay. Raha dinihana tsara anefa ny zava-misy hatreto dia mbola sarotsarotra ihany ny hahatongavana amin’izany satria mbola goavana ny fifanoheran-kevitra amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Efa ela no nitambatra ny CNOSC sy ny Raiamandreny Mijoro raha tsy nisy ny fifanoherana. Ny ankilany milaza fa ny sehatra iraisam-pirenena mitongilana amin’ny Ankolafy 3 no mamatsy vola ny CNOSC ka tsy azo itokisana izy ireo, ny andaniny kosa manamafy fa ny FAT no manome vola sy fitaovana ny Raiamandreny Mijoro ka tsy marina ny hoe elanelam-panahy amin’ireo mpifanandrina politika ry Pastera isany Ramino Paul sy Nestor Razafindramanitra, izay fantatra fa tsy dia nifankahazo tamin’ny filoham-pirenena teo aloha hatramin’izay. Koa mipetraka izany eto ny fanontaniana hoe : iza no hanetry tena voalohany ka hampandefitra ny hambom-pony amin’ireo mpanelanelana ireto ? Sa hiziriziry tahaka ny mpanao politika ihany koa dia ny omaly tsy niova ny toe-draharaha ? Na ny mpanelanelana aza mantsy tsy mifanara-tsaina tsara. Dia efa io iaraha-mahita io ny vokatry ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanelanelan’ny SADC, hafa ny tenenin’i Joaquim Chissano ary tena hafa mihitsy ny ambaran’ny Dr Simao dia mikorontana i Madagasikara, tsy mety mivaha ny krizy.

Dia ho sanatria tahaka izany foana ve no iainana eto ? Tsy misy zavatra matotra fa mandroso mihemotra, ary misy ny tena sahy mijoro, manapa-kevitra dia tsy miherikerika intsony ! Asa indray aloha izay hataon’ny FAT fa raha ny fahitana azy dia tsy nisy namaha olana fa vao miha nampahery vaika ny krizy ny nataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany hatreto. Kabary no tena namokisany olona teto. Lazaina fa hamboarina avokoa izao karazana zavatra manara-penitra izao, kanefa ny fitantanana ny firenena mhitsy no efa tsy manara-penitra. Mihaingo ambony tsokoko ireo mpitondra ary tsy mahalala menatra mihitsy. Sahiny ny miseho vahoaka sy midehaka etsy sy eroa ihany kanefa izao tontolo izao no mahafantatra fa fanjakan’ny jiolahy no misy eto Madagasikara. Dia ho izany foana ve no hiainana eto ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT