Edito

Izaho aloha


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Rahoviana ihany re ny mpiasam-panjakana be karama eto amintsika vao mba hahay hitsinjo ny manodidina azy e ?

Nanao fitakiana sesilany avokoa tao ho ao ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana heverina fa mitahiry ireo vola ahafahana manodina ireo raharaha anatin’ity tanindrazana malalantsika ity. Efa nampiato ny azy ireo aloha ny teo anivon’ny mpanara-maso ny fadintseranana sy ny mpanara-maso ny hetra. Hiverina hanao fitakiana indray kosa izany izao ny avy eo anivon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana fa mila “misondro-boninahitra”, hono. Ny mampalahelo amin’ny raharaha toy itony moa dia ireo mpifaninana mbola mitady izay lalan-kizorany ho amin’ny hoaviny hatrany no manjary lasa voatohintohina. Raha ny fanazavan’ireo lohandohan’ny mpiraki-draharaha izay nampiantso mpanao gazety teny Antaninarenina omaly dia toy ny milaza an-kolaka amin’ireo mpiasa vaovao ao amin’ity sampandraharaha ity mihitsy hoe : “ aleo aloha ianareo tanora ho tsy mbola an’asa ihany fa izahay ho eto foana”. Toy ny milaza hoe tsy maika ny fandraisana mpiasa vaovao fa izahay aloha karakaraina tsara. Ekena fa mety misy ny tsy rariny, nisy ny efa nifanarahana fa ilay fitiavan-tena diso tafahoatra sy ny fikajikajiana ny tombontsoa ho an’ny tena isaky ny mihetsika kosa tsy mety e !

Faralahimatoa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT