Edito

Iza sa ny inona ?


  • Alarobia 14 Jona 2017

Iza sa inona no manetsika ireto mpanao fihetsiketsehana miha mitombo efa ho isan’andro tato ho ato ireto ? Ny mahagaga dia tsy ny fetezan-javatra efa am-polony taona maro daholo no izao vao hifandimbiasam-pilazana ho tsy azo ekena intsony.


Rahoviana indray izao ny mpitarika azy ireo no hahazo tampimaso dia hangina am-bolana maro ? Tsy mahagaga raha tsy nisy nahomby na nahomby ihany fa mora rava ny tolona nisy teto hatramin’izay. Tsy mba azo akana lesona ve ny anton’ny fiovan’ny tantaran’ny frantsay  taorian’ny nanonganan’izy ireo mpanjaka tamin’ny taona 1879 ? Toy izany koa ny tolon’ireo tanora amerikanina ny taona 1970 raha tsy nanaiky ny fanjakan-jokiolona tafahoatra tamin’ny fotoan’androny. Na ny filoha alemana teo aloha , Adolph Hitler, izay niezaka hampanjaka ny taranany mandritry ny arivo taona aza vitan’ny vahoaka tia tanindrazana tany an-toerana ihany ny nanapaka ny fikasany tao anatin’ny 13 taona monja. Dia tsy nisy azo nakana lesona hitoerana amina vahaolana maharitra ve ireny fa dia satry foana hiaina amina krizy lavareny eto ? Inona moa no nahatonga an’i Afrika atsimo ho amin’ny toerany amin’izao fotoana raha tsy ny tolona madiodion-dry Nelson Mandela ? Inona koa no nahatonga an’i Burkina faso ho amin’ny toerany ankehitriny raha tsy ny famoizan’ain’ny mpitari-tolona Thomas Sankara ?

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT